airtel

Politique

13-avril-2026

Fandravana ny Antenimierampirenena

Inona no hambaran'ny

Sample post image

Praiminisitra eny Tsimbazaza anio ?

13-avril-2026

Hitodika eny amin'ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza ny mason'ny mpanara-baovao anio. Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ireo Solombavambahoaka amin'ity ny Alatsinainy 13 aprily 2026 ity, araka ny tapaka tamin'ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 8 aprily 2026 teo, hanoloran'ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta ny fandaharan’asany momba ny fampiharana ny politika ankapoben’ny Fanjakana Fanavaozana na PMO-PGE (Programme de Mise en Œuvre de la Politique Générale de l'État de la Refondation). Raha ny voalazan'ny lalampanorenana, ao amin'ny Andininy faha-99 tokoa dia "Ao anatin’ny telopolo andro nanendrena azy no anoloran’ny Praiminisitra ny fandaharan’asany momba ny fampiharana ny politika ankapoben’ny Fanjakana amin’ny Antenimiera izay afaka manome tolo-kevitra. Raha tsapan’ny Governemanta eo am-panatanterahana ny asa fa misy fanovàna fototra tokony hatao amin’io fandaharanasa io, dia entin’ny Praiminisitra eny amin’ny Antenimierampirenena izay afaka manome tolo-kevitra izany fanovàna izany". Anio no hihaona mivantana voalohany amin'ireo solombavambahoaka ao Tsimbazaza ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana taorian'ny nanendrena azy amin'io andraikitra io ny 15 martsa 2026. Ho fantatra misimisy kokoa anio ny tetiandro fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Hanan-kambara vé ny Praiminisitra mikasika ny fitakiana ny handravana ity andrimpanjakana izay hisehoany anio ity ?
Jean D.
Ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap