airtel

Politique

22-oct-2025

Fanendrena praiminisitra, delestazy miha mafy indray,…

Misy manambana hiverina

Sample post image

eny amin’ny 13 may sahady

22-oct-2025

Niteraka adihevitra be ny resaka fanendrena praiminisitra vaovao izay tontosa teny amin’ny lapam-panjakàna Iavoloha ny 20 oktobra teo. Nivoy ny resaka fa olon’ny fitondràna teo aloha ihany, indrindra, olon’ny mpandraharaha goavana nalaza ho nangeja ny toekarem-pirenena ity praiminisitra malagasy vao notendrena ity. Isan’ny nasongadina mpanara-baovao samihafa ihany ireo toerana samihafa nosahaniny tanivona rafitra iraisampirenena izay heverina isan’ny nametraka endri-panjanahana vaovao teto amin’ny firenena nandritry ny taona maro. Tsikaritra ihany koa tetsy ankilany, tato ho ato, fa miverina ny delestazy miha mafy indray amina toerana samihafa, indrindra, eto Antananarivo renivohitra. Ny rano tapaka koa mitohy ihany. Misy, noho izany, ireo fikambanana sy vondrona na antoko politika samihafa, toy izany koa ireo ao anatin’ilay sokajin-taona antsoina hoe Gen Z, manambana hiverina eny amin’ny kianjan’ny 13 may sahady indray manoloana ny heverin’izy ireo fa fahadisoam-panantenana taorian’ny datin’ny 18 oktobra namaranana ny fivoriam-bahoaka teo amin’io Kianjan’ny 13 may Analakely io, raha ny angom-baovao voaray hatramin’ny omaly aloha. Hiverina anio ve izany ny 13 may? Hampiseho fanovàna eo amin’ny lafiny fanomezana ny fahalalahana maneho hevitra ihany koa, araka ny nifampanantenana, ve ny fitondràm-panjakàna vaovao mijoro? Heno manakoako hatramin’izao ny hoe «Mbola tsy vita ny tolona». Etsy ankilany dia mitady ho lamaody koa aloha ny manala sefo fokontany sy ben’ny tanàna neverina ho olon’ny fitondràna teo aloha. Andrasana, araka izany, izay hiseho na sanatria ho sarintsariny ihany na tena fanorenana sy fanovàna ny rafitra sy ny tsy mety rehetra eto amin’ny firenena tokoa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena

Card image cap
17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap