airtel

Politique

08-janv-2025

Fanenjehana ara-pitsarana sy ara-politika

Nambara fa niaiky ho nanao heloka i Jean-Luce R.

Sample post image

Olona 4 no voarohirohy sy nanaovana fanadihadiana, 1 no naiditra am-ponja vonjimaika. Isan’ny nanaovana

08-janv-2025

fanadihadiana ny tranonkalan’ny CENI. Noho ny fiarovana dia nakatona, ka ny mpiasan’ny CENI sy ny tompon’andraikitra no tafiditra ao. Tsy ny « base des données » no nidiran’ny olona, fa ny « moyen de publication » fampidirana « PDF » na sary, hoy ny Tale Kabinetran’ny CENI Atoa Fanahimanana Tiaray omaly. Ny Sampana misahana ny heloka an’habaka na cybercriminalité no manao ny fanadihadiana. Nilaza fa tsy nitory olona manokana ny CENI, fa « plainte contre X » , fitoriana olona tsy fantatra nahafahana nanokatra fanadihadiana. Na mpiasan’ny CENI aza noahiahiana dia anjaran’ny mpanao fanadihadiana no manao famantarana, ka nahita izy ireo fa olona maromaro no noahiahiana. Namoaka tatitra kosa ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona, fa niaiky ny helony Atoa Jean-Luce Randriamihoatra. Ny sabotsy 21 desambra 2024 dia namoaka tao amin’ny pejy Facebook-ny ny voapanga Jean-Luce Randriamihoatra fa nahazo 42,21 % ny kandida Ravalomanana Tojo, raha ny kandida Ramanantsoa Harilala no nahazo 43,24% araka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny CENI, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna omaly. Informaticien, mpikambana tao anatin’ny comité Ad ‘hoc nanao famolavolana sy ny «audit »-n’ny tranonkalan’ny CENI. Rehefa nohadihadian’ny mpitsara ny voapanga dia niaiky fa niditra tao amin’ny serveur an’ny CENI fa tsy vao tamin’io. Rehefa nosavaina ny solosainy dia nahitana « capture » an’ny « accès répertoire route » an’ny CENI, hoy hatrany ny fanazavana. Nambara ihany koa fa ny 05 aogositra 2024 dia namoaka tao amin’ny facebook-ny hoe : « Taratry ny fitondrana, mivoaka antsokosoko, miditra an-tsokosoko, jiraman-doza », ary niaiky ihany koa fa namoaka an’ireo teny ireo, hoy hatrany ny tatitra. Loham-piampangana maro noho izany no nambara fa hjanenjehana ity farany : Fidirana antsokosoko tao anatin’ny système d’information henjehin’ny lalàna momba ady amin’ny heloka an’habaka, fampidirana na fanovana « données informatiques » mba hinoana fa marina ny « données » diso, fanohintohinana ny filaminana anatiny indrindra ny fanovana ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ara-dalàna ka miteraka fikorontanana eo amin’ny sain’ny mpifidy ary nanentana ny vahoaka hikomy amin’ny Fanjakana sy ny Jirama tamin’ny filazana fa «jiraman-doza »,…Ireo no nampidirana azy am-ponja vonjimaika, hoy hatrany ny Fitsarana.
AVO LENTA
Andrasana izay mety ho setriny sy fanazavana hafa, fa nanao fihaikena na « aveu » aloha izany i Jean-Luce Randriamihoatra raha ny resaka ofisialin’ny fahefam-panjakana. Fanontaniana mipetraka kosa ny hoe : tamin’ny nahim-pony sa noterena sa nisy tambiny ? Tokony atrehin'ny mpisolovava ihany koa moa izany ka asa raha izay tokoa. Sary efa nitranga teto ihany koa ny endrika fandrika hoe : maneke amin’izay heloka ibabohana mody rariny, toy ny nahazo an’Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia izay nisintona ny fijoroany vavolombelona tamina afera goavana, avy eo iny no nandetehana azy. Avo lenta ity raharaha ity, ary tsy raharaha tsotra fa tena resaka politika, ka asa izay ho tohiny.
Toky R


 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap