airtel

Politique

26-mai-2025

Fanjakana tsy mamely, firenena fadiranovana,…

Mitady làlana hiala eto ny olona vao misy hirika

Sample post image

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

26-mai-2025

mikasika ny tolotr’asa avy amin’ny Maorisianina hitadiavana mpiasa Malagasy manodidina ny 600 ka hatramin’ny 800, tafiditra ao anatin'ilay « IOLINK JOB FAIR 2025 ». Sehatra maro toy ny fizahantany, fandraisam-bahiny, indostria,… no misotraka. Ny EBS Consulting Afrique-Maurice no misahana azy izay fiaraha-miasa amin'ny masoivohon'i Madagasikara any Maorisy sy ny minisiteran’ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana eto Madagasikara. Tanjona amin’izao ny fanomezana asa izay mifandraika amin’ny mari-pahaizana ananan’ ireo Malagasy. Mbola fihodinana voalohany ihany izy ity fa mbola ho re miandalana eny ihany ny ho tohiny, hoy ny fanamarihana. Tena nirohotra ny tanora Malagay satria ho an’ny sabotsy teo fotsiny, dia manodidina ny 3500 ny isan’ireo nametraka antontan-taratasy, teo amin'ny Carlton Anosy. Tsy ireo tanora ihany anefa, misy ireo manam-bady aman-janaka, raha ny fanamarihana. Ho an’ireo mahafeno ny fepetra dia ny orinasa mandray azy no miantoka ny fandaniana rehetra. Roa taona hatramin’ny dimy taona azo havaozina ny fifanarahana arak'asa, ary tafiditra amin’izany ny fiantohana (assurance).Tena mitsotra izy ireo fa tery ny sehatr’asa eto Madagasikara, sady kely karama. Taratry ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ny Firenena. Manamafy ny tsy fahombiazan’ny politika ara-toekerana sy ara-tsosialy, hany ka raha vao misy hirika hahafahana mitady làlana any ivelany dia mirohotra ny olona.
MIFANIPAKA SY TENA MIFANALAVITRA
Tena tsy mitovy rahateo ny fari-piainana na iny noboriborian’ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina iny, fa raha manana 600Euro any an-dafy dia sokajiana ho mahantra, fa raha ny tantsaha Malagasy no manana 100euro dia miadana sy sambatra. Tena mampanongo tena. Ny Firenen-kafa anefa izay tsy mandeha lavitra antsika akory, dia ioaraha-mahita io hoe : ny asa no mitady olona, kanefa ny antsika betsaka ny mianatra, betsaka no manana diplaoma, betsaka ny manam-pahaizana fa sahirana sy mijaly. Ny karama farany ambany eto 260000Ar mahery kely na 53euro eo, raha 15000MUR na 289 euro manome 1,4 tapitrisa Ar amin’ny vola Malagasy izany hoe 5,4 avo heny amin’ny antsika Malagasy ny karama farany ambany any. Ny harin-karena isam-batan’olona na PIB/Habitant rahateo dia eo amin’ny 530 dolara ny antsika, raha efa tafakatra 12 000 dolara ny azy ireo, maneho sy manamafy fa tena mahantra fadiranovana isika, saingy hafa mihitsy moa ny raiki-pohin’ny Fitondrana Rajoelina sy ny ekipany, fa ny fitohanan’ny fiara, ny fiantsenana any amin’ny Grande surface no ahafahana milaza fa tsy mahantra ny Malagasy. Tena mampanongo tena. Mbola miampy kirendrarendra hafa toy ny jet d’eau, teleferika,… Ny an’olona ny taratry ny fandrosoana dia miasa tsara ny olona, afaka mitsabo tena ny vahoaka, mandroso ny fampianarana, mandeha 24ora ny herinaratra,…
TARATRY NY TSY FAHOMBIAZAN’NY MPITONDRA
Tsy misy Malagasy haniry ny hitsoa-ponenana ankolaka raha marin-toerana ny fiaianana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto, manana asa mahavelona ny olona, manana fahefa-mividy ambony na farafaharatsiny antonony. Tsy izay no mitranga, tsy marin-toerana ny fandraharahana, tsy marin-toerana ny fampiasam-bola, tsy tena tsinjovina ny mpandraharaha Malagasy, misy aza ny potehina noho ny resaka politika. Ny Fanjakana anefa tsy mahavita tena mamorona asa, ny sehatra tokony hanao sy hampiroborobo an’izany misy ambana goavana samihafa : fanararaotana ara-ketra, fanararaotana ara-politika, tsy fandriampahalemana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap
04-juin-2025

Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga

Card image cap
04-juin-2025

Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy

Card image cap