airtel

Politique

12-juil-2021

Politique

Fanjakana tsy misy vina Miankina amin’ny facebook sisa

Sample post image

Tsisy programan’asa matotra mihitsy ny Fanjakana ankehitriny. Tsy misy hijerena azy hoe: rahoviana no manao inona fa rehefa miteny sy mivaivay ny kiana ao amin’ny Facebook dia atao.

12-juil-2021

 Ny làlan’I Toamasina hoe tsy misy vola, dia mimenomenona ny mpampiasa làlana, mangotraka ny kiana anaty facebook dia hoe amboarina indray, ka hetsehina ny vola eo am-pelantanana. Tsy misy sori-dàlana sy programa mazava ny fitantanana ny firenena, fa miankina amin’ny kiana sy ny resaka mivaivay eny amin’ny tambajotran-tserasera ny fomba fiasa hitondrana ny firenena. Ohatra iray tato anatin’ny andro vitsy iny resaka RN2 iny fa ny fomba fiasa hatramin’izay mihitsy no misavoamboana tsy misy misy sori-dàlana fa “pilotage à vue”, araka fiteny vahiny. Efa tany amin’ny fihibohana tamin’ny taon-dasa anefa no nilazana fa hararaotina hikojakojana ny làlana ny fihibohana, izay tsy nisian’ny fifamezivezena. Ohatra iray hafa ny tamin’ny resaka vaksiny hoe: ny fiandohan’ny volana desambra 2020 dia nilaza ny Minisitry ny toekarena sy ny vola fa nampitomboina ny tetibolam-bolam-panjakana 2021 satria miomana hividy vaksiny, tonga ny faramparan’ny volana dia milaza ny Minisitry ny serasera fa tsy hanafatra indray fa mbola mitazana sy mandinika aloha. Aty amin’ny 20 martsa ny Filoha milaza fa ny CVO+ ihany no tiany hitsaboana ny Malagasy fa io no nahasitrana azy. Efa ny faramparan’ny volana martsa vao mandefa taratasy ahafaha-misitraka vaksiny raha toa ka ny vola desambra 2020 ny fe-potoana napetraky ny Firenena Mikambana. Niha nahery vaika mantsy ny valanaretina, nangotraka ny kiana tamin’ny facebook, dia nafarana ihany ny vaksiny. Toy izany ihany koa ny vatsim-pianarana, ohatra, izay efa tokony ho voafaritra mazava ao anatin’ny tetibolam-panjakana isan-taona, saingy miandry grevy sy korontana. Ny kere tany Atsimo, niainga tamin’ny facebook nitateran’ny olom-pirenena ny zava-misy: ny faty olona, ny fijaliana,… vao hoe handeha hanao atrik’asa, ary nampantena zavatra maro ka asa hoe: aiza ny fanatanterahana azy sa ho toy ny “digitalization” 10 andro kanefa herintaona sy telo volana aty aoriana tsy hita ihany. Tsy misy programa mazava hitondrana ny firenena intsony, fa tena miankina amin’ny toe-draharaha mitranga. Ny Programa PEM izay nambara fa ampahafantarina aorian’ny 19 janoary 2021 aza tsy hita hatramin’izao, izany IEM izany toa anarana sisa tsy maty sisa,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-mai-2024

Mila fahasahiana ny fanovana hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena hoy ny

Card image cap
10-mai-2024

Ny 01 mey lasa teo no efa nanomboka nivoaka ny vaovao fa nahazo fahafahana vonjimaika ny

Card image cap
10-mai-2024

Porofon'ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao,

Card image cap
10-mai-2024

Kaominina 3 no notsidihan'ny kandida depiote HONTY RAZAFITRIMO tao amin'ny distrikan' Ankazobe

Card image cap
10-mai-2024

Vavaka no nisantarany ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandida Avotra sy Jimmy laharana fahatelo,

Card image cap
08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap