azo antoka ve ny hisian’ny fifidianana madio na eo amin’ny fikarakarana na any amin’ny fizotrany na any amin’ny mety ho valiny amin’ny alalan’ny didy tsy azo ivalozana ? Betsaka ireo tranga manamafy ny ahiahy, ka isan’ny goavana sy nanaitra ny maro tato anatin’ny andro vitsy ny fihetsiky ny Tale Kabinetran’ny CENI Atoa Jean Louis Andriamifidy. Tazana tao anaty famoriana olona namondronana ireo mpanohana ny kandidan’ny IRMAR Ambatofinandrahana Richard Razafindrabary ny tenany. Fotoana famoriana ireo seksionina isam-pokontany, ny tanora mpanohana ny IRMAR,… izay nisaorany. Nisy mihitsy aza ny fandraisam-pitenenany naneho fa Filohan’ny IRMAR araka ny fandaminana natao ary Filohamboninahitry ny Vovonana Mandresy ahitana ny TGV, ka nanamafy ny fanohanana an’io kandidan’ny IRMAR io. « Amin’ny anaran’ny Vovonana IRMAR izay fantatra ny Filoha Andry Rajoelina no fototra iorenany, dia misaotra antsika rehetra, indrindra amin’ny fifidianana izay mbola hatao, ny fampandaniana ny kandida IRMAR,... », hoy ny ampaham-piteneneny, izay nilazany fa mandresy izy ireo. Hisy toromarika amin’ny hetsika mbola hatao isaky ny seksionina sy ny kaominina, toy ny handraisana ny mpitarika fikambanana iray lehibe amin’ny 11 mey. Hisy ny mantsy ny fandraisana ny Filoham-boninahitry ny AFF sy ny mpiara-dia ao anatin’ny Birao politika eo anivon’ny ARENA sy ny mety ho fidinanan’ny Filoha, raha ny nambarany. « Zava-dehibe no miandry antsika, ary matoa miombon’antoka amin’izany vovonana izany dia manantena fandresena. Ny tenako moa dia manome toky antsika rehefa fa hisahana izany adidy izany amin’izay hahafahana manao azy amin’ny farany tsara indrindra sy amin’ny farany mampety azy indrindra », hoy Atoa Jean Louis Andriamifidy. Hanao izay hampandaniana ny kandida Richard Razafindrabary amin’ny fomba rehetra amin’ny famadihana voka-pifidianana rehefa tonga ao amin’ny CENI ary hohamafisina eny amin’ny HCC ? Manao ny fomba sy tetika rehetra hamotehana an-dRtoa Christine Razanamahasoa izay kandida atahorana sy tena tsara toerana indrindra ao Ambatofinandrahana satria nanambatra hery ny herivelona samihafa fa manohana azy ? Tsy isika no andeha hanome lesona amin’ny resaka tsy tokony ho fampiandaniana ny fitantanan-draharaham-panjakana toy ny fitsarana, fampianarana, tafika,… amin’ny politika araka ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana, kanefa miharihary amin’ny endriny maro io fa tsy hitan’ny CENI sy HCC angamba. Nisy ny fampitandremana nataon’ny Filohan’ny HCC fa hikapoka eo anatrehan’ny tsy fanarahan-dàlana, fampiasana ny fitaovam-panjakana sy fahefam-panjakana,… Eto anefa dia ny olon’ny rafitra mpikarakara fifidianana mihitsy no mitanila an-karihary ka fifidianana madio sy mangarahara inona no antenaina amin’izany ary inona ny fepetra raisin’ny HCC ? Tsy efa midika ve izao fa betsaka no mety ho sarintsarim-pifidianana fa ny valiny efa misy vita sy amboarina ao amin’ny CENI ?
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny