dia marobe ireo voka-pifidianana Kaominaly no navadika ka tsy nifanaraka tamin’ny didy navoakan’ny TA (Tribunal Administratif), raha ny vaovao voaray. Ben’ny tanàna maro no lany ara-dalàna tamin’ny fidianana notanterahana ny 11 desambra 2024. Ny TA (Tribunal Administratif) napetraky ny lalàna fa mamoaka ny voka-pifiadianana ofisialy miainga amin’ny firaketana an-tsoratra sy ny fitoriana samihafa. Maro be anefa ny voka-pifidianana navadika rehefa tonga tao amin’ny C.E. (Conseil d’Etat) izay rafi-pitsarana farany mamoaka ny didy tsy azo ivalozana, izany hoe : tsy fampiakarana azo atao intsony na (sans recours). Ny antoko avy amin’ny fitondrana dia ny IRMAR) no hany nahazo fandresena rehefa mitsimbadika ny voka-pifidianana avy amin’ny T.A. (Tribunal Administratif) ka tonga eny amin’ny C.E. (Conseil d’Etat), raha ny ankamaroan’ny fanamarihana. Raha ny re dia efa nivondrona ireo solombavambahoaka maromaro miaraka amin’ireo Kominina maromaro izay niharan’ny famadihana ny voka-pifidianana. Nivondrona izy ireo ary miomana hanao hetsika iombonana eto Antananarivo. Heno ihany koa mantsy, ary nanomboka niparitaka teny amin’ny fanapariaham-baovao samihafa fa toa misy ny fikasana hamadika ny voka-pifidianana ao Talata volonondry Antananarivo Avaradrano. Lany tamin’ny isan-jato mazava ny Kandidan’ny TIM dia i Toky Rakotondrazaka, ary efa mitantana ny Kaominina Talata volonondry ankehitriny. Amina’izao fotoana izao anefa dia mirehareha fatratra ny kandida IRMAR fa tsy maintsy izy hono no miverina mitondra ny tanàna na dia tsy lany tamin’ny fifidianana aza. Izy izay efa Ben’ny tanàna amperin’asa kanefa tsy nahazo ny vato maro an’isa avy amin’ny vahoaka akory.Tsiahivina fa efa nisy fitsimbadihana vokatra tamin’ity fifidianana tao Talata volonondry ity, ka ny tany amin’ny OVEC dia nandresy mazava ny TIM, rehefa namoaka ny CENI dia nitsimbadika, ary rehefa nivoaka ny an’ny TA dia niverina nandresy indray ny kandidan’ny TIM, ka lany soa aman-tsara ho ben’ny tanàna, saingy io efa kitikitihina io indray. Marihina fa efa indroa nahemotra ny fotoam-pitsarana teny. Heno fa hisy ny hetsika goavana eto Antananarivo hiainga ao Avaradrano ary hifandrimbonan’ireo Kaominina avy any amin’ny faritra ho fanoherana ny fanaparam-pahefana mampitsimbadika ny safidim-bahoaka.
SETRASETRA, KOLIKOLIM-PIFIDIANANA, TSY FANDRAISANA ANDRAIKITRA,…
Mbola manamafy ny ahiahy amin’ny resaka fahadiovana ara-pifidianana eto amintsika sy ny mety fanaovana tsindry amin’ireo rafitra mpikarakara sy ny mpitsara ny fifidianana hatrany no mahatonga ny toe-javatra tahaka izao. Maro ny setraseram-pifidianana nisy teto indrindra tato anatin’ny 15 taona farany. Betsaka ireo tolo-kevitra nentina hanatsarana ny fifidianana : resaka lalàna, ny lisitra, fikirakirana ara-matematika,… fa toa iniana hanaovana bemarenina. Mbola niampy ireo fitakiana fangaraharahana toy ny ara-bola ka nanatsikafon’ny Transparency International Initiative Madagascar na TI-IM indray ny ahiahina kolikoly goavana ara-pifidianana teto Madagasikara vao ny 09 mey teo. Tamin’ireo fifidianana 3 farany teto Madagasikara, nahatratra 170 miliara Ar ny vola nampiasain’ireo kandida, araka ny fanadihadiana ara-tsiantifika nataon’ny TI-IM. Maherin’ny 165 ny vola niodina fifidianana filoham-pirenena, ka ny kandida Andry Rajoelina (TGV) no nandany be indrindra, teo amin’ny 129 miliara Ar, ny 34% tamin’ny tetibola nampiasainy ho ahiana ho nanaovany kolikoly sy fampiasana fitaovam-piasana. Mahatratra 45000 Ar isaky ny vato azo ny kaontin’ny fandaniana nataon’i Andry Rajoelina, raha ny kajikajin’ny Transparency International. Tombanana ho mbola ambony lavitra noho izany ny ahiahina kolikolim-pifidianana ? Ny taona 2018 rahateo no efa niteraka resabe ny hoe : fampiasam-bola hatrany amin’ny 182 tapitrisa dolara. Mazava ho azy fa miasa ny vola, mandeha ny tsindry,… saingy ny setriny dia mpitondra voageja, firenena voatotra, vahoaka mahantra,… Tsy misy fandraisana andraikitra araka ny lalàna fa tazanim-potsiny ?
Toky R
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,