fa fiifidianana solontena isam-pokonolona mba handray andraikitra amin'ny fanorenana no anisan'ny tena.laharampahamehana.Hoy ny fanambaran'ny Eveka my 11 novambra 2025 : "Mba ho fanovana tena izy marina". Hatramin'izay tokoa mantsy dia fikaonandohan 'ny avara-pianarana, FFKM, Raiamandreny ara-drazana,mpanao politika foana no natao. Dia mamoromporona lalampanorenana eo, dia tafapetraka avy eo ny fanjakan'olom-bitsy mpiremby. Mila fiovam-penitra mahery vaika amin'ny fikaonan-doha mba tsy ho ny teo ihany no miverina, hoy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena.sasany. Teny ieran'ny mpiray firenena tena tsy manavaka no mila.ilaina.ka atao aloha ny fifidianana solontena isam-pokontany. Ireo no tohanana ho lasa Antenimieram-pokonolona isam-paritra sy isaky ny distrika na kaominina. Ireo no atao ivon'ny fikaonan-doha miaraka amin'ny FFKM sns.. Fisantarana avy hatrany ny fanapariaham-pahefana io. Fanomezam-pahefana ny fokonolona ho tompo-marika amin'ny fanarenana izany. Miisa 17 000 eo ho eo ireo. Ny fiitondrana foiibe mifandrindra sy miray hina tanteraka amin'ny fokonolona no antoky ny fanabeazana.
Nangonin'i RTT
(Sary fanehoana)