airtel

Politique

29-juil-2025

Fatoran’ny aferany ny Fitondrana Rajoelina

Mifaningotra ny Minisitry ny fitaterana sy ny DG ACM…

Sample post image

Miha mafana ilay raharaha aferana fiaramanidina miisa 5 nolazaina hampiasaina eto

29-juil-2025

Madagasikara kanefa lasa any Iran. Nisy ny taratasy nataon’ny Minisitry ny fitaterana Valery Ramonjavelo tamin’ny Tale Jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ny 26 jona mangataka fanazavana na DE (Demande d'Explication). Voalaza tao anatin’io ny hoe : « nahazo vaovao aho fa fantatrareo tsara fa ireo fiaramanidina ireo dia niala avy tao Kambodza tamin’ny 15 Jolay 2025 ary mety ho nihitsy tany Iran, izay ankehitriny manao sazy iraisam-pirenena. Na izany aza, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Meteorolojia dia tsy nahazo fampahafantarana ofisialy na tsy nanana fampahafantarana ara-potoana mikasika io tranga io », hoy ny taratasin’ny Minisitra. Milaza i Valery Ramonjavelo ao anatin’ny taratasy fa noho ny maha sarotra sy ny mety hisian’ny vokatra ara-diplomatika sy ara-pitsipika amin’izany ho an’ny firenena, dia miantefa amin’ny Tale Jeneralin’ny aho mba hadefa tatitra feno sy tsara ao anatin’ny 48 ora, mikasika: ny fampahalalana rehetra ananan’ny ACM momba ny dia ataon’ireo fiaramanidina ireo mankany Iran ; ny fepetra sy ny daty nanaovana soratsoratana Malagasy (registre malagasy 5R) ho an’ireo fiaramanidina ireo ; ny dingana sy hetsika nataon’ny ACM taorian’ny tranga; ny antony tsy nahazoan’ny Minisitera fampahafantarana ara-potoana momba izany. Nandefasana dika mitovy ny Filohan’ny Repoblika ; ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta. Nanao valan-dresaka moa ny Minisitry ny fitaterana, niaraka tamin’ireo manam-pahefana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana, ka nilaza fa nosandohana tanteraka ny anaran’i Madagasikara, ka napetraka ny fitoriana. Namoahana fikarohana ny teratany Indianina iray antsoina hoe : Khushwinder Singh sy Malagasy Andriamananarivo Heriniaina Rijasoa no karohina ho nanao hosoka sy fampiasana hosoka, manohinohina ny filaminana anatin’ny Firenena, hosoka mikasika fiaramanidina.

IANAO NO NANOME BAIKO !
Nilatsaka tokoa ny valin-kafatra nataon’ny Tale Jeneralin’ny ACM Atoa Damasy Gérvais, nilaza raha adika teny Malagasy malalaka hoe: « noho ny toromarika avy aminao, ny ACM dia nanome ny CIP (Certificat d’Immatriculation Provisoire) sy ny CNP (Certificat de Navigabilité Provisoire) ho an’ireo fiaramanidina dimy, izay natao ho ampiasain’ny UDAAN Aviation, orinasa nasehonao fa hiara-hiasa amin’i Air Madagascar sy hanatanteraka tetikasa fitrandrahana zotra iraisam-pirenena. Ny CIP dia manan-kery hatramin’ny 17 aprily 2025, ary ny CDN ho an’ny convoyage (fampitana) mankany Kenya hatramin’ny 21 aprily 2025. Ireo taratasy ireo dia navoaka araka ny lalàna, ary tsy misy fanekena na fahazoan-dàlana ho an’ny famindrana na fampiasa any Iran. Nanamafy ny ACM fa 20 jona 2025, dia nahazo fampandrenesana avy amin’ny Autorité de l’Aviation Civile du Cambodge ny ACM mba hanamarina ireo taratasy. Ny ACM dia nanapa-kevitra tamin’ny 23 jona fa tsy ara-dalàna ny fanavaozana ny fahamarinan’ny taratasy nisy fampiharana fanodinkodinana daty ary nanan-kery hatramin’ny 12 jolay 2025 izany tsy nahazoana fanekena mialoha. Vokatr’izany dia natolony tany amin’ny manampahefana malagasy ny fitoriana momba ny hosoka sy fampiasam-bola tsy ara-dalàna,...

TRATRA NY LAINGA ?
Eo dia efa vaky sahady ny tsy fifanojoana fa manomboka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. Ny minisitra, nilaza tao anatin’ny taratasy fangaraham-panazavana tamin’ny Tale Jeneralin’ny ACM fa tsy misy zavatra fantany, ary tsy nahazo tatitra momba io raharaha io izy, ka mangataka fanazavana ao anatin'ny 48ora. Namaly ny Tale Jeneralin’ny ACM, fa noho ny baiko avy amin'ny minisitry ny fitaterana no nanaovana ny taratasy, kanefa ingahy minisitra milaza fa tsy mahalala na inona na inona. Ny Talen'ny Seraseran'ny Fiadidian'ny Repoblika teo aloha, sady Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Madagascar Airlines teo aloha nanontsana ny Minisitry ny Fitaterana Valery Ramonjavelo ho atidoha sy tena nikotrika an’io afera io. Ny Fanjakana Foibe nandefa iraka ofisialy tamin’ny fianianan’ny Filoha Iranianina ny 30 jolay 2024 ka tsy misy ifandraisany ve ? Samy manadio tena, dia misy ny mandetika, dia misy ny mody mangina,… satria mihevitra ny vahoaka ho bado. Moa tsy izao ve ilay hoe : «Ireo na efa tratra mitaingim-pasana aza dia milaza fa mitady « réseaux » ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-avril-2026

no tena misakana ny fanavaozana"

Card image cap
17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap