airtel

Politique

02-juin-2025

Fetim-pirenena

Mbola mangingiana aloha ny fananganan-tsaina

Sample post image

Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina

02-juin-2025

ho faharsiarovana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena. Tsy mbola manaitra ny olom-pirenena izy io amin'ny ankapobeny fa ny fitadiavana ny hanin-kohanina isan'andro aloha no tena mafotaka. Na dia efa nanomboka tamin'ny volana May aza no tazana nandehandeha teny. an-tsena ny mpivarotra saina noho izany dia toa lany faladia fotsiny izy ireny. Tsy misy ny mpanontany. Tsy manam-bola rahateo ny ankamaroan'ny olona. Hevitra nivoaka teny anelanelany teny aza ny hoe : tokony zaraim-potsiny ny saim-pirenena ho an'ny isan-tokantrano rehefa fetin'ny 26 Jona tahaka izao raha tian'ny fanjakana hanangana izany ny mponina. Tsiahivina moa fa etsy amin'ny lapan'ny tananan'Analakely no hisantarana izany anio maraina. Hisy ny fandaminana ny fifamoivoizana eny an-toerana noho izany, hetsika hataon'ireo tompon'andraikitra manomboka amin'ny 06 ora maraina.
Pati
Légende : Mbola tena maina ny tsenan'ny sainam-pirenena !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Rehefa tsy tazana sy tsy re feo nandritra

Card image cap
06-août-2026

soa eto ireo firenen-kafa?»

Card image cap