Nisy ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Randrianirina Michaël, sy ireo Filoham-pirenena teo aloha voafidim-bahoaka, Andriamatoa Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina omaly 27 jolay 2026 tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Fihaonana izay tonga amin’ny fotoana manan-danja eo amin’ny tantaran’ny firenena, satria mifandray amin’ny fanombohan’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fifampiresahana ara-politika, araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika. Raha tsy misy rafitra Conseil constitutionnel eto Madagasikara, dia ny Filohan’ny Fanavaozana no nandray andraikitra hanasa ireo filoha teo aloha hifampizara hevitra sy hifanakalo-kevitra momba ny fizotry ny raharaham-pirenena. Toy ny firenena maro maneran-tany, ny fifampiresahana toy izao dia heverina ho sehatra manan-danja amin’ny fanamafisana ny demokrasia sy ny fitondrana tsara tantana. Tsy tena voalaza ny antsipirihany, saingy nambara fa nifantoka tamin’ny fizotry ny raharaham-pirenena sy ny fanamby ara-politika, ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, ny fampiraisana sy fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny olom-pirenena, ary ny fampandrosoana maharitra sy ny fanamafisana ny rafitra ara-dalàna,… ny fihaonan’izy 3 mirahalahy mianaka. Nizotra tamin’ny firahelahaliana sy fifampiresahana, ka nanamafy fa ny tombontsoa ambonin’ny firenena no laharam-pahamehana. Ny fisian’ireo filoha teo aloha sy ny filohan’ny Fanavaozana amin’ny sehatra iray dia maneho fa mbola azo tanterahina ny fampihavanana politika sy ny fampiraisana nasionaly, na mety misy ihany aza ny zavatra ifanoherana eny antsefatsefany eny. Ara-politika, samy ao anatin’ny Fanjakana fanavaozana ny telo tonta satria ny governemanta ankehitriny sy ny rafitra samihafa dia saika ahitana ny antoko TIM sy ny HVM avokoa, ankoatra ireo antoko hafa miara-dalana ao anatin’izany. Raha fintinina, ity fihaonana tao Iavoloha ity dia azo heverina ho dingana stratejika amin’ny fiheverana ny mety ho dingana sy rafitra politika ifampitondrana eto Madagasikara. Samy miandry ny ho fizotra sy ho fivoaran’ny Fikaonandoham-pirenena ary ny vokatra ho azo avy amin’ny fifampiresahana noho izany ny rehetra hoe hanao ahoana satria misoko miadana mety miezaka mametraka ny tetika sy paikadiny ihany koa andaniny ny volomboasary tarihin’i Andry Rajoelina izay mbola tsy mahalevona ny fitsimbadihana tamin’ny septambra-oktobra 2025? Asa mbola hitohy ihany koa ve ny tsindry mivantana na ankolaka ataon’ireo rafitra iraisam-pirenena hamerenana ireo sesitany politka sy hamoahana ireo mpanao politika migadra ?
Toky R