airtel

Politique

30-juil-2026

Fiadidiana ny fanavaozana

Masoivoho miisa 9

Sample post image

sahady no voatendry

30-juil-2026

Masoivoho na koa Ambasadaoro miisa 9 sahady izany izay no voatendrin'ny fiadidiana ny fanavaozana ny repoblikan'i Madagasikara tao anatin'izay 10 volana nisiany teo izay, raha iverenana ireo tsiahim-baovao. Tsiahivina anefa fa tsy nahavita nanendry afa-tsy masoivoho miisa 4 ny teo alohany tao anatin'ny 7 taona nitantanany. Michel Rabemahefa no voatendry ho masoivoho malagasy ao Frantsa, ao Parisy. Ny Hasina Andriamanjato no ao Rosia, Moscou. Lanto Rahajarizafy no any amin'ny firenena mikambana, New York. Alain Manajary Razafimbelo no ao Alemainina, Berlin. Edelin Calixte Randriamiandrisoa no ao Soisa, Genève. Auguste Paraina ao Etiopia, Adis Abeba. Toavina Ralambomahay, ao Afrika Atsimo, Pretoria. Joahary Ratovondrahona, ao Maraoka, Rabat. Christine Razanamahasoa kosa no ao amin'ny UNESCO, izay rafitry ny firenena mikambana misahana ny lafiny kolontsaina sy ny manodidina an'izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap