airtel

Politique

27-févr-2026

FIAINAM-PIRENENA

Fahavalon’ny fanavaozana tena izy ny kajikajy politika

Sample post image

Misy ilay fomba fitenenana ,

27-févr-2026

manao hoe na tahaka inona na manao ahoana ady natao dia tsy maintsy miafara amin’ny fifampiresahana izany.Mety hoe msy ny maharesy, misy ny resy saingy tsy hisy hiady mandrakizay izany kosa. Eo moa ny ady mivantana izany hoe tafika samy tafika no mifandona, aeo ny ady eny anivon’ny fiarahamonina noho ny tsy fifankazahoana na fifandirana. Fa eo ihany koa ny adilahy politika, ny hevitra no mifandona aloha, ary mety miitatra ilay ady avy eo ka lasa ady tena ady mitondra mankany amin’ny krizy. Mahafantatra tsara izany miverimberina ny krizy politika eto.
MILA MAHAY MIFANDAMINA
Miditra amin’ny hoe fanavaozana sy fanovana i Madagasikara ankehitriny, tsy takon’afenina fa misy ny hevitra mifandona eto ary efa naharitra ; misy ny resaka tsy mifankahazo. Ao ireo mahatsiaro fa niharan’ny tsy rariny, misy ny te hanao valifaty. Tsy ny eto irery no misy an’izany fa azo atao kosa anefa ny mandamina. Efa niainana ny 1971, 1991, 2002, 2009, 2018, ary 2025 farany teo. Tsy efa tonga kosa ve ny fotoana handaminan-dresaka satria tena misy akony ratsy any amin’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ny tsy fisian’ny fitoniana ara-politika eto.Ny olona mivoatra, mandroso fa i Madagasikara toa mihemotra isan-taona, mbola fanentanana hanasa tanana no atao amin’ny malagasy. Tsy misy fampandrosoana vanona eto raha mbola mibahan-toerana ny adilahy politika sy ny ankanejikenjika isaky ny 5 na 10 taona. Marina fa tsy misy ny tonga lafatra fa azo atao tsara anefa ny mifanaraka, mifanaja, mifandefitra noho ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka monina ao aminy.
TSY KISEMDRASENDRA NY FANDROSOANA
Toa mijanona ho teny filamatra na sanatria atao entam-barotra fotsiny ilay hoe fihavanana malagasy, tsy aleo ve ampiharina sy iainana ilay izy. Ny firaisankina, ny fifanampiana, ny fifampitsinjovana. Mandinika kely fotsiny dia ahatsapa hoe ho las amatanjaka ity Gasikara ity raha miray hina sy mifanome tanana, miasa sy mamokatra ny vahoaka ao aminy. Mila mijoro ho fitaratra, ohatra tsara amin’ny asa sy ny fahitsiana ary fahamarinana ny mpitondra, mijoro ho arofanina ny mpanohitra, manaitra sy misntona lakolosy rehefa misy zavatra mampiahiahy na mandeha amin’ny lalana tsy tokony ho izy fa tsy hoe maika haka fahefana fotsiny. Tsy kisendrasendra ny fandrosoana fa vokatry ny asa tsara sy mitohy. Io no tsy ampy teto Madagasikara hatreto, izay no nitakian’ny vahoaka ny fanovana tena izy mba hananana fiainana tsara kokoa fa tsy hoe hitavandra fanampiana na fitserana lava izao ny malagasy. Ny dingana voalohany dia ny famokarana mba hahavitana tena ara-tsakafo, manaraka eo ny ambiny avy eo.
RTT
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap