ka ny tatitra savaranonandon’ny Firenena Mikambana mikasika ny fanitsakitsahana zon’olombelona aza manamafy an’io, raha tsy hilaza afatsy ny herisetra nandritra ny Hetsika Fotsy izay tafiditra ao anatin’io. Raha noventesina ny jadona, ampihimamba ara-toekerana, tsy fahalalahana maneho hevitra,… izay novoizina sy natao fitaovana nandritra ny fanonganam-panjakana 2009 dia mety avo folo hatramin’ny avo zato heny tamin’ny nokianina tamin’izany no averina ankehitriny. Nokianina mafy ny resaka fanagadrana ara-politika, saingy betsaka ireo nizaka ny tsy eran’ny ainy niainga tany amin’ny tetezamita izay nisy mihitsy no namoy ny ainy sy nitondra takaitra. Ny tato anatin’ny 6 taona farany, dia nanefa hatramin’ny ainy ny fanenjehana sy fanagadrana an’i Ninie Donia. Betsaka ireo mbola mihidy any am-ponja izay saika namofona politika ny ankamaroany : Mbola Rajaonah, Harry Laurent Rahajason, Bearinirina Marcellin, Mahery Lanto Manandafy, Paul Rafanoharana sy ny namany, Stan’ley Ramarivelo, Jean-Luce Randriamihoatra, Fernand Cello,…
MIHAMAFY NY FAMORETANA
Mihamafy ny fangejana, hany ka na fivoriana anaty efitrano mikasika ny raharaham-pirenena aza efa hampiasana miaramila mirongo basy hanakana azy toy ny natao omaly tetsy amin’ny Solimotel Anosy, ny olom-boafidy niantso vahoaka haneho hevitra am-pilaminana hanoherana ny hosoka ara-pifidianana nambenana basy mandra-pivoakan’ny valim-pifidianana ofisialy raha ny tranga tany Toamasina, ny fokonolona nanohitra ny fametrahana ben’ny tanàna tsy lanim-bahoaka nodarohana lakrimozenina tany Antanambao Mahatsara distrikan’i Vatomandry,… Sarintsarim-pifidianana no betsaka fa ny rafitra samihafa efa karazan’ny voageja na « verrouillé » avokoa, hany ka na ireo dingana araka ny lalàna na « voix légales » hiadiana rariny amin’izao fitondrana izao dia fahagagana raha hisy rariny ho an’ny fanoharana. Ho izay foana ny sary hitranga raha tsy misy ny fanovana ? Mbola hanantena inona izany ny mpanohitra ? Ny fandalinana politika tsy eto ihany fa saika maneran-tany indrindra aty Afrika dia manamafy fa « ny mpanongam-panjakana tsy ho dempkraty mandrakizay ». Hanao izay hampaharitra faran’izay tratrany ny fitazonana fahefana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, manao ny fomba rehetra hampitombo ny ambaindain’ny harena,... fa ny Firenena miha mihemotra sy resy ara-toekerana, anjakan’ny kolikoly,…
SARINTSARINA DEMOKRASIA…
Nanongam-panjakana tao Soudan i Omar Al-Bashir tany ny taona 1989 ary nanao izay fomba hitazonana fahefana ka naharitra 30 taona tao anatin’ny fitantanana nanjakan’ny fanitsakitsahana zon’olombelona. Ny taona 2019 vao niongana rehefa nangotraka ny fihetsiketseham-bahoaka am-bolana maromaro nampian’ny tafika Soudanaise. Tany Tchad, nanongam-panjakana i Idriss Déby ny 1990 fa tsy niongotra teo amin’ny fitondrana raha tsy maty voatifitry ny mpioko ny taona 2021. Samy lany hatrany tamin’ny sarintsarim-pifidianana nomena endrika sarintsarina demokrasia na i Omar Al-Bashir na i Idriss Déby ary nafana tamin’ny famoretana ny mpanohitra. Dia atao mahagaga ve raha mampiasa volabe amin’ny fitazomam-pahefana ny mpitondra eto amintsika izay ny 2009 no vato fototry ny fahefany? Atao mahagaga ve raha mitosatosaka ny galona ho an’ireo manam-basy ? Rehefa tsy tonga saina sy miray hina ho any amin’ny làlana ho amin’ny fanovana tena izy isika, isika dia misafidy sy manome vahana ny jadona hihamafy satria ny mpanongam-panjakana tsy ho demokraty mandrakizay.
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo