ny fahaizana mijery ny laharam-pahamehana, ny hoenti-manana ara-kevitra sy ara-bola, fanatanterahana,... ny fahombiazana fa tsy misy fahagagana. Zava-dehibe ny fanapahan-kevitra raisina hoe: mampandroso tokoa sa mampihemotra? Tsy azo atao ny mitsambiki-mikipy, ary tsy azo entina fotsiny amin'ny hambom-po na bizina politika na tombotsoan'olombitsy na aigam-panahy manidintsidina ny Firenena. Izany no isan'ny mampilentika hatrany antsika, raha tarafina amin'io fitantanana ankehitriny io. I Sénégal izao dia fantatra fa ho tafavoaka ao anatin'ny sokajin'ny Firenena PMA (Pays les Moins Avancés) amin'ny 19 desambra 2029, ary ao anatin'ny fanomanana izany, taorian'ny tatitry ny Filankevitra ara-toekarena teo anivon'ny ONU. Tena hainy ny nijery ny tombotsoa ambonin'ny Firenena, nisoroka ny krizy politika goavana, niroso tamin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika fa tsy fibodoam-pahefana amin’ny basy sy kajikajy maloto, nifandamina sy nifandefitra, tena manao fanarenana ara-toekarena,... Ary mby aiza i Madagasikara izay lazaina fa mpitarika mendrika indrindra aty Afrika ny Filohany? Mbola mirehareha fa hitantana ny SADC kanefa i Madagasikara aza tsy zaka sy potiky ny tsy fahaiza-mitantana,...
MANAFINA FAHANTRANA
Manadio tena ny Fitondrana fa tsy mahantra fadiranovana ny Firenena ka afaka herintaona dia lazainy fa hiakatra 8% ny harin-karena faobe rehefa tafapetraka ireo tetikasa toy ny fanodinana ara-tsakafo, fametrahana ireo indostria goavana,... Haodina amin'ny delestazy ? Tanjona hapetraka ny hahavitan-tena ara-tsakafo, ka nanapahana hevitra fa hampiasa ny vary safiotra sinoa hanokanana 600 miliara Ar isan-taona eo satria miankin-doha amin'ny masomboly sy zezika simika ka fanapahan-kevitra tena mahomby ve sa hamono ny tany sy ny vary tsara kalitao eto? Nakana ny hevitr'ireo manam-pahaizana Malagasy sa amboletra noho ny bizina? Mbola fanafarana sy fiankinan-doha hatrany ka sanatria hiankina amin'ny masomboly safiotran'ny sinoa no hihinanan'ny Malagasy vary na tsia? Hampiakatra ny harin-karena faobe ve izany? 1 219,2 tapitrisa dolara teo ny fanondranana nataon’i Madagasikara ny taona 2024,izay nidina 27,9 % raha oharina ny tamin'ny 2023 (1 689,8 tapitrisa dolara). 2 116,0 tapitrisa dolara kosa ny fanafarana, nidina 7,2 % raha oharina ny tamin'ny 2023 (2 279,8 tapitrisa dolara). Vinavinain’ny Banky Foibe fa hahatratra 1 063 miliara ariary ny fatiantoka ara-barotra ho an'ny taona 2025. Heverina hahatratra 3 142,6 tapitrisa dolara ny fanafarana (FOB), ary ho 2 079,6 miliara ariary kosa ny fanondranana (FOB). Dia mihevitra ve ny fitondrana fa ny tahaka izany no hahavitana PIB 8% eo anatrehan'ny zava-misy na ato anatiny izay miaro tsy fahaiza-mitantana na manoloana ny zava-misy iraisam-pirenena?
FANAPAHAN-KEVITRA MAMONO
Raha mijery ny zavatra hafa: tena miteraka harena sy tombotsoa ho an’ny Firenena ve ny nitrosana teleferika 152 tapitrisa dolara na 800 miliara Ar latsaka kely izay efa aloa ny trosa kanefa tsy miodina ? Ny vahoaka anefa tsy misy jiro sy rano ! Afaka hampidirana mpampianatra an’aliny isan-taona ao anatin’ny folo taona. Ampahany io fa betsaka no toy izany. Tena fanapahan-kevitra mahomby ve ny nanapahana anatin'ny tetibolam-panjakana 2025 ny handraisan'ny Fanjakana Foibe ny famoriana ny hetran-trano sy hetran-tany izay ain-dehiben’ny kaominina 1695 manerana ny Nosy? Ny fampianarana izay tena zava-dehibe ho an’ny firenena iray dia zara raha 1,75% amin’ny harin-karena faobe na PIB hatreto raha ny vola haompana aminy anatin’ny LFI 2025, raha toa ka 4 ka hatramin’ny 6% eo ny fenitra iraisam-pirenena apetraky ny UNESCO. Efa tafakatra 2,5% io atsy Comores raha efa 6% any Sénégal. Tena hahafahantsika mivoaka ao anatin’ny fahantrana ve ny toy izany ?
Toky R
Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,
Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na