airtel

Politique

28-juin-2022

Politique

Fiainam-pirenena Tsy azo ihodivirana ny fikaonandoham-pirenena…

Sample post image

Azo lazaina ho an-dalan’ny tsy azo ihodivirana intsony ny fikaonandoham-pirenena hikaroham-bahaolana manoloana ny tsy fahafehezana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

28-juin-2022

Mafy ny tsindry avy amin’ny fanoherana ny fitondrana mijoro saingy etsy an-daniny dia hita ho miziriziry ihany koa ny filoham-pirenena sy ireo akaiky azy. Mampametra-panontaniana aza hoe tsy efa naman’ny manery an-kolaka ny amin’ny tsy maintsy hanaovana izany ihany koa ve aza ny fianakaviam-be iraisampirenena raha toa ka tsy nisy nahatonga solontena nandritry ny fanokanana ny tombon-kasa ho an’ny lalam-pirenena faha 13 farany teo ? Ny avy eo anivon’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM moa dia io efa manesika efa ho isan’andro io fa ny fifampiresahana ihany no vahaolana manoloana ny toe-draharaha politika ankehitriny. Hitovy amin’ny tamin’ny taona 2018 ve ny sary? Hitsangana ve ilay antsoina hoe governemantan’ny firaisam-pirenena na “gouvernement d’union nationale” ka ho filoham-pirenena am-boninahitra ihany na ilay antsoina hoe “symbolique” ny filoham-pirenena ankehitriny mialohan’ny hahatongavana amin’ny fifidianana manaraka? Mazava ho azy fa fanontaniana tsy maintsy hipetraka koa ny hoe io governemantan’ny firaisam-pirenena io ve no hikarakara ny fifidianana hoavy manaraka rehetra eo? Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha.
(sary fanehoana)
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-mai-2024

Mila fahasahiana ny fanovana hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena hoy ny

Card image cap
10-mai-2024

Ny 01 mey lasa teo no efa nanomboka nivoaka ny vaovao fa nahazo fahafahana vonjimaika ny

Card image cap
10-mai-2024

Porofon'ny fahavononana hampihatra ny demokrasia izao dingana lehibe izao,

Card image cap
10-mai-2024

Kaominina 3 no notsidihan'ny kandida depiote HONTY RAZAFITRIMO tao amin'ny distrikan' Ankazobe

Card image cap
10-mai-2024

Vavaka no nisantarany ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandida Avotra sy Jimmy laharana fahatelo,

Card image cap
08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap