airtel

Politique

31-mars-2026

Fiarahamonim-pirenena

Fantatra ireo solontena 2 handrafitra ny CENI

Sample post image

Tontosa omaly 30 martsa 2026

31-mars-2026

ny fifidianana izay ho solontenan’ny fiarahamonim-pirenena ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Miisa 2 ireo kandidà nofidiana tao anatin’ireo 6 mianadahy nandray anjara tamin’izay fiadiana ny toerana ho an’ny fiarahamonina sivily izay, hoy ny tsiahy. Benandrasana Cyrille, avy amin’ny GAMFA, no nahazo ny toerana voalohany na toerana A, rehefa nahazo vato miisa 19. Andriatsimiala Lanjaniony Sariaka, izay natolotry ny Vondrona Miray aina kosa no nahazo ny toerana faharoa na toerana B, nahazo vato miisa 17, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Hotanterahina ny 29 sy ny 30 Jolay

Card image cap
27-juil-2026

Tsy manaisotra ny adidin’ny fanjakàna

Card image cap
23-juil-2026

fahefan’ny mpanatanteraka ny depiote

Card image cap