voka-pifidianana tany amin’ny Kaominina Mitsinjo Betanimena, distrikan’i Toliara II, anatin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Nijoro hatramin’ny farany maneho ny fanoherany ny famadihana ny voka-pifidianana mba handresen’ny kandidan’ny IRMAR Larry Rigobert ka nampidina ho laharana faharoa ny kandida Nandrasana Augustin avy amin’ny tsy miankina ho eo amin’ny laharana faharoa ny vahoaka. Raha ny vokatra avy amin’ny SRMV raha tsiahivina dia nandresy tamin’ny vato 2098 ny kandida laharana faharoa Nandrasana Augustin, raha toa ka 2033 kosa ny an’ny IRMAR, saingy nitsimbadika ny rasa ny alatsinainy teo rehefa namoaka ny vokatra vonjimaika ny CENI satria samy nakarina ny isam-bato saingy nanatombo ny IRMAR, ka nivadika ho 2103 sy 2107. Nirohotra nakeny amin’ny Lapan’ny Faritra Atsimo Andrefana ny vahoaka, nanakan-dàlana, nandoro kodiarana, naneho ny tsy fankasitrahany ny alatsinainy teo, ary nitohy tao Mitsinjo Betanimena. Efa nisy rahateo ny kabary nataon’ny kandida lasibatra nilaza fa tsy hiandry vokatra avy amin’ny Tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana izy ireo fa hitaky ny fahamarinana na hisy ra mandriaka aza. Nafana ny fihetsiketsehana ny talata teo, saingy nahetsika ihany koa ny mpitandro ny filaminanana nandrava izany, ka raikitra ny daroka lakrimozenina tsy nifidy izay hasiana, niditra hatrany an-tranon’olona, hatrany anaty trano fiangonana, ka voa hatramin’ny tsy manan-tsiny, raha ny tatitra. Nafana ny fifanenjehana eraky ny tanàna. Vokany, maro ireo olona sempotra sy toran’ny lakrimozenina izay nisy naiditra hopitaly, ary teo ihany koa ny fisamborana, ka anisan’ny nosamborina nandritra io ny zanaky ny kandida Nandrasana Augustin na Pecto, raha ny vaovao avy tany an-toerana ny talata teo. Matoa tonga amin’izao dia misy ny fahatsapan’ny vahoaka fa misy ny tsy rariny sy famadibadihana ny safidiny. Tsy hisy olona handeha hamono tena sy hitolona fahatany, ary tompon’andrikitra feno amin’izao ny CENI sy ireo mpanao politika mety minia jamba eo anatrehan’izao zava-misy izao.
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo