Manomboka misy sary politika miova eo amin'ny lafiny fanoherana hoe hanao ahoana ny mety ho endriny ato ho ato? Miha manakaiky rahateo ny 2027 heverina hanaovana fifidianana Filoham-pirenena voalohany ho an'ny Repoblika faha-5, ialohavana fitsapankevi-bahoaka hanovana ny lalàmpanorenana. Efa misy ireo Antoko na Vondrona heverina fa tsy maintsy ho mpihazakazaka ao anatin'izany, izay saika ao anatin'ny fanohanana izao Fitondrana Fanavaozana izao aloha ny ankamaroany. Na ny Filoham-panjakana ankehitriny aza toa efa manana ny antokony dia ilay antsoina hoe FFM (Fanilon’ny Fanavaozana an'i Madagasikara) saingy mbola baraingo ny firotsahany na tsia? Ho afaka mirotsaka ve ireo mpitantana ambony ao anatin'ny fanavaozana ? Ny fikaonandoham-pirenena no mety hamaly izany. Andaniny, ny any amin'ny fanoherana dia ny volomboasary na ny TGV-MAPAR aloha no heverina fa mpanohitra 100% na fahavalo politika voalohany "ennemi éternel" an'izao Fitondrana izao, ary io tsy mijanona amin'ny resaka hevitra io fa tonga hatrany amin'ny resaka fikasana hanongana sy handrodana. Ara-politika, marina fa misy ilay hoe : "mora manadino ny Malagasy" nolazain'ny Amiraly Ratsiraka fahavelony, saingy mbola tsy sitrana ny ferin'ny vahoaka tamin'ny nafitsoky ny Fitondrana Rajoelina, sarotra ho an'ny mpitondra sy ny antoko vao naongan'ny vahoaka ny faran'ny taona 2025 ny hanao fiverenana amin-kery na "retour en force" any amin'ny faran'ny taona 2027. Naman'ny vizana ny TGV hatreto, tsy misy tena fanoherana mahatafapetraka fifandanjan-kery amin'ny Fanavaozana aloha hatreto satria ireo Antoko sokajiana ho lehibe izay nanohitra ny TGV dia efa lasa mpanohana ny Fitondrana: TIM, HVM, MMM,... Ny TGV vizana, ny mety fanoherana hafa takona,... hany ka lojika raha mipoitra Rajerison Antoine Mpitarika ny FIVOI izay na tiana na tsy tiana dia nahavita "exploit" tamin'ireo fifidianana farany teo, indrindra teto afovoan-tany ary miezaka mandavaka eran'ny Nosy. Antoko na Fikambanana noheverina fa madinika fa nahazo depiote 5 tato amin'ny faritra Analamanga, nahazo ben'ny tanàna an-jatony,... nahavita nandresy an'ireo Antoko lehibe sasany. Politika no resaka, heverina fa miezaka mametraka fifandanjan-kery ara-politika ho mpifaninana amin'ny Fitondrana fanavaozana ny FIVOI, ary ny mety ho fahadisoana na "Dérapages politiques" ataon'ny Fitondrana raha tsy mitandrina dia mivadika ho isa ho azy sy hanamarina an'ilay hoe: io ary ny anareo, io ilay efa nitorianay teny amin'ny HCC,... Mety tsy any amin’ny mahafeno fepetran’ny andininy faha-18 amin’ny lalàmpanorenana hoe afaka manao « saisine » no mety ho adihevitra fa ny tohiny. Heverina araka izany fa ny fipetrahan-dRajerison Antoine ho mpifandrina amin'ny Fitondrana tamin'ny alalan'ny fametrahana fitoriana tetsy amin'ny HCC dia sary iray mety entiny mametraka fa izy no isan'ny mpanohitra manana ny tanjany voalohany ivelan'ny TGV. Ny fifanenjehana sy ny ady ara-tserasera hamelezana azy dia mety vao mainka mety hampiakatra azy. Eo ny mety ho fifamelezana ara-politika, fa arofanina ho an’ny Fitondrana hahafahany mitandrina sy manitsy ihany koa ny fisiana fanoherana mitodika any amin’ny resaka lalàna tahaka itony. Mety mbola betsaka anefa ny sary politika hitranga ao anatin'ny roa taona latsaka, ary betsaka no mety tsy ho ampoizina.
Toky R
Nesorina ny zo fiarovana ara-parlemanta na ny