airtel

Politique

27-févr-2026

Fifanolanana ara-pifidianana

ben’ny tanàna

Sample post image

Hiakatra Fitsarana ambony anio ny raharaha Talata Volonondry

27-févr-2026

Hiakatra eo anivon’ny Filankevi-panjakana na Conseil d’État anio zoma 27 febroary 2026 ny raharaha mifandraika amin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna tao Talata Volonondry, raha tsy misy ny fiovana amin'ny ora farany. Io no dingana manaraka taorian’ny fitoriana napetrak’Atoa Randrianirina Hobihérisoa, kandidà IRMAR sady Ben’ny Tanàna teo aloha, manohitra ny lisitra TIM notarihan’Itokompokolahy Rakotondrazaka Toky Niaina Mampionina, izay efa nambara mazava ho mpandresy tamin’ny didy navoakan’ny Tribunal administratif. Raha hiverenana, araka ny vokatra navoakan’ny SRMV sy ny CEC, Rakotondrazaka Toky no nitarika. Nivadika izany rehefa nivoaka ny vokatra avy amin’ny CENI, izay nametraka ny kandidà IRMAR ho voalohany. Nisy fitoriana nataon’ny TIM nilaza fa nisy famadihana ny safidim-bahoaka. Ny 17 janoary 2025 navoakan’ny Tribunal administratif teny Anosy ny didy nanambara fa Rakotondrazaka Toky no Ben’ny Tanàna ara-dalàna ary nandray ny toerany avy hatrany. Nampakatra ny raharaha teo anivon’ny Conseil d’État ny kandidà IRMAR, nitaky ny handravana ny didy navoakan’ny Tribunal administratif. Nahemotra imbetsaka ny fitsarana noho ny antony tsy mazava. Nodimandry tampoka i Rakotondrazaka Toky amperin’asa enim-bolana taorian’ny nandraisany ny fitantanana ny Kaominina Talata Volonondry, izay niteraka ahiahy ho misy ambadika politika. Maro no mino fa hanamafy ny fahamarinana indray ny fitsarana, tahaka ny efa nataon’ny Tribunal administratif. Ny mpiara-miasa sy ny fianakavian’i Rakotondrazaka Toky dia voalaza fa maneho fahatokisana tanteraka amin’ny fitsarana, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana sy tolona ho an’ny fahamarinana eto amin’ny firenena izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap