airtel

Politique

09-déc-2024

FIFIDIANANA AO AMBOHIDRAPETO

Hiaro ny vaton’ny Kandida Mihary ny vahoaka…

Sample post image

Tsy hisangy fa ho hentitra hiaro ny vato azon’ny Kandida laharana faha-4 Mihary Andriantsilavo

09-déc-2024

natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ny Kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano ireo mpiara-dia aminy. Efa mivonona tanteraka amin’izany izy ireo ary fantatra fa tsy hitsitsy ireo tratra manao hosoka. Mian-dahy miam-bavy mihitsy izy ireo no hifanome tanana hanatanteraka izany raha araka ny fanazavan’ity Kandida natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ity. Nomarihiny manokana moa fa nizotra an-tsakany sy an-davany ny fampielezan-kevitra nataon’izy ireo na dia nisy aza ny gafigafy nataon’ny sasany. Anisan’izany ny fandrovitana tsy mitsahatra ny afisy izay napetany sy ireo mpiara-dia aminy izay nomarihiny fa voasolo hatrany. Marihina moa fa anio Alatsinainy 09 Desambra vao hifarana ny faradoboka tanterahin’ity Kandida ity. Natombony tamin’ny diabe namakivaky ny tanana izany afak’omaly Sabotsy 07 Desambra. Nitohy tamin’ny lalao baolina kitra niadiana ny amboaran’ny vidin’omby notanterahin’ireo tanora izany omaly Alahady ary hofaranana amin’ny fanentanana ny mpifidy feno 18 taona rehetra ao Ambohidrapeto anio Alatsinainy 09 Desambra mba ho avy handrotsa-bato avokoa amin’ny datin’ny 11 Desambra ho avy izao. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanentanana azy ireo mba hiaro ny safidiny.
Pati
Legende : Nanana dihy manokana tahaka izao mihitsy ireo mpanara-dia ny Kandida Mihary Andriantsilavo !

 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,

Card image cap
16-juin-2025

Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao

Card image cap
13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap