airtel

Politique

15-sept-2026

FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA

Avelao halalaka hoy Pastera Heritiana

Sample post image

Na adala na hendry , na antitra na tanora ;

15-sept-2026

aleo ny vahoaka no hifidy malalaka izay tiany hitondra azy hoy Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny Oloko. Aleo ny Vahoaka Malagasy hisafidy izay Filoha tiany hoy hatrany izy ary avelao halalaka ny fifidianana. Tsy miombon-kevitra amin'ny mpanao politika sasany ny tenany ny amin'ny resaka fetran-taonan'ireo afaka milatsaka. Izay tian'ny Malagasy ihany io hoy izy ka tokony hohajaina ny safidim-bahoaka. Tokony hodinihina tsara ihany koa ny resaka fampiasam-bola mandritra ny fifidianana hoy hatrany ity pastera ity mba tsy ho izay be vola foana ihany no ho lany fa aleo mba izay tena tia tanindrazana vonona hampandroso marina. Notsiahivin’ny Pastera Heritiana moa fa tena miezaka izao fitondrana Fanavaozana izao. Tafiditra tao anatin’izany nt fakana ny hevitr’ireo antoko politika. Toràka izany koa ny fiangonana zandriny izay nomarihiny manokana fa tsy mba hataon’izao fitondràna mijoro izao tsinontsinona. Hitondra ny anjara birikinay izahay hoy izy na dia amin’ny fanisam-bato aorian’ny fifidianana monja aza ka handraisan’ireo pastera any ambany ravinahitra anjara hisehoan’ny marina sy ny mangaraharaha.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap