airtel

Politique

09-août-2024

Fifidianana Filohan’ny Kaomisionin’ny UA

Tratry ny sotro ranon’alika Rajaonarimampianina…

Sample post image

Notsipahan-dRajoelina hatramin’ny farany ny firotsahan’i Hery Rajaonarimampianina ho Filohan’ny

09-août-2024

Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina, hatao ny febroary 2025. Nanaovan’ny Fitondrana Rajoelina sotroranon’alika araka ilay fomba fiteny ka tsy hetaheta fa sotasota. Tao anatin’ny herintaona no efa nivoaka ny vaovao samihafa mikasika ny fahavononan’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina handray io toerana io, ary hatramin’ny fampahalalam-baovao vahiny samihafa no nilaza fa tsara toerana ity farany satria tohanan’ireo Filoha sy olobe Afrikanina maro. Ity farany izay efa notendren’ny Vondrona Afrikanina tamina iraka iraisam-pirenena samihafa toy ny naha filohan’ny MOEUA (Mission d’Observation Electorale) tamin’ny fifidianana tany Togo ny febroary 2020. Tsy nety namoaka hatramin’ny farany ny fanohanana na « parrainage » anefa ny Fanjakana Rajoelina. Tany aloha, dia nisy mihitsy ny resaka fa hanohana kandida vahiny hafa, saingy ny 6 aogositra teo dia nandrotsaka an’Atoa Richard Randriamandranto ho kandida. Ity farany izay tsiahivina fa efa minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola, lasa minisitry ny raharaham-bahiny, saingy nesorina rehefa nolazaina fa nandray fanapahan-kevitra tamin’ny anaran’ny tenany manokana rehefa nanao latsa-bato mikasika ny raharaha ady any Ukraine. Manana herijika kokoa noho ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ve ny Minisitra teo aloha Richard Randriamandranto ? « Tombotsoan’ilay Firenena hoe : ianao Malagasy no mitantana ny Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina ? Valifaty sy lonilony ara-politika no mibaiko. Mety hisy hiteny fa angaha rehefa tsy ny anareo dia tsy mety. Ny Firenena maro mametraka fa ny Firenena aloha hoe : iza no manana herijika afaka hitondra ambony ny tombotsoam-pirenena sy hiaro ny tombotsoantsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy Atoa Rivo Rakotovao omaly tamin’ny fahitalavitra iray, ka nanamafisany fa kolontsain’ny valifaty no misy
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap