airtel

Politique

27-janv-2025

Fifidianana Filohan’ny PCM-CUA

Nijabaka na najabaka i Baba Rakotoarisoa…

Sample post image

Voafidy ho filoha i Ralitera Andriamparany Guy avy amin'ny vovonana IRMAR nahazo vato 28

27-janv-2025

 niohatra tamin’i Rakotoarisoa Faniry Alban avy amin'ny vovonana Firaisankina nahazo vato 25, raha kosa 2 ny vato maty nandritra io fifidianana io. Niteraka adihevitra politika, noheverina fa handresy mazava ny mpanohitra, raha nisy ny fanambaram-kery. Raikitra indray ny fifampiampangana eny amin’ny tambajotran-tserasera hoe : mpamadika ry ranona sy ranona. Ny filohan’ny Mouvement Gasikara Gascar Fenosoa namoaka fanehoan-kevitra tao amin’ny Facebook haingana toa niezaka nanenjika ny hafa sy niresaka hoe : iza no manao « deal », izay no manao « mission » ho an’iza, saingy nofafany rehefa nangotraka ny adihevitra. Nisy nanaporitsaka teny amin’ny tambajotra rahateo ny fanehoan-kevitra nataon’ny mpanolontsaina lany tamin’ny MG tamin’izao fifiaianana izao niarahaba manokana an-dRtoa Harilala Ramanantsoa fony ity farany voatendry ho PDS,… Mandeha indray ny fivoizana fa ry ranona na ry ranona Jodasy ka isan’ny atao maty henjika amin’io ny Tia Tanindrazana izay manana mpanolontsaina 7. Tsiahivina kosa fa 23 IRMAR, 20 Firaisankina, 7 TT, 3MG, 1RTM an’i Dadafara, 1 Iarivo Mandroso an’i Ndriana Razanamasy. Resy lahatra 100% tamin'i Baba Rakotoarisoa ve ny TIM izay maro an’isa anatin’ny Firaisankina? Izy no nijabaka nanolo-tena sa izy no tapaky ny Firaisankina ? Ity farany izay tamin’ny fandrotsahana kandida depiote tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana no nanana olana satria nisy tsy nankasitraka ka najanona ka sao mba noho izany no tsy nahalany azy ? Sao tao anatin’izany no olana satria misy feo mivoaka taorian’ny fifidianana fa ny TIM aza nisy tsy nifidy azy fa hoe : tokony ho olon’ny TIM ? Tsy nahazo 25 ny Firaisankina raha tsy nisy Tia Tanindrazana nifidy raha ny lojika. Raha ohatra ka nifidy TIM ny MG mbola 23, ny an'i Ndriana Razanamasy sy Dadafara mahakely finoana fa hifidy TIM. Taiza izany no mety nisy fivadihana ? Heverina fa nisy endrika fifandresen-dahatra sy anteron-kalao tao fa tany amin’ny fifidianana PCM no nisy nitsefotra na namadika. Matoa lany i Toavina Ralambomahay avy amin'ny Tia Tanindrazana nanoloana ny IRMAR dia ny TIM mazava ho azy no nanamaro an’io, nahazo vato 31 niohatra tamin’ny kandidan'ny IRMAR nahazo vato 24. Toy izany ihany koa Rakotoaritiana Navalona Francky Aimé avy amin'ny Mouvement Gascar nahazo vato 28 niohatra tamin’i Raboanarijaona Voahirana, kandidan'ny IRMAR nahazo vato 26. Nisy mpanolotsaina iray tsy nifidy. Rakotonirina Nomenjanahary Nasandratra Éric avy amin'ny Tiako i Madagasikara kosa no voafidy ho Mpampakateny faharoa, nahazo vato 30 raha 25 ny an'i Randrianaina Christian, IRMAR nifaninana taminy, izany hoe tsy maintsy nisy vaton’ny Tia Tanindrazana sy MG tao,... Asa hanao ahoana ny ho fizotran-draharaha ao amin’ny Kaominina Antananarivo manomboka eto ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap