airtel

Politique

26-déc-2024

Fifidianana maloto, krizy,

fahantrana,… Mbola haharitra 5 taona ve ny Fitondrana Rajoelina ?

Sample post image

Sarintsarim-pitoniana politika no misy ankehitriny ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao fa tsy tena misy ilay « trêve politique».

26-déc-2024

Tsy misy fahamarinan-toerana politika, tsy misy fahamarinana ara-pifidianana, tsy misy fitoniana sosialy,… fa tena mihamafy ny fifandrafiana sy ny lonilony goavana. Resahana fa tsy ilain’ny Firenena intsony ny korontana ary tena marina sy ekena izany eo anatrehan’ny faharefoan’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka ankehitriny. Ny zava-misy anefa, dia ny mpitondra Fanjakana na ny antokom-panjakana no manao zavatra toa mandrehitra afo hisian’ny fipoahana ara-politika eo anatrehan’io raharaha ara-pifidianana io. Tany aloha no efa nandeha ny antso avo sy fanairana samihafa eo anatrehan’ny ahiahy ara-pifidianana goavana. Anisan’io ny fitakiana ny hisian’ny mangarahara mikasika ny lisi-pifidianana, saingy nanaovana bemarenana sy nodiana jamba. Dia iny nalefa iny ny raharaha « ordonnance » izay tena niteraka ahiahy goavana, tsy nisy mangaraharaha. Nandeha ny latsa-bato dia niseho ny tranga maro samihafa, toy ny fivoahana bileta nialohan’ny fotoana, ahiahy tamin’ny fitaomana olona hifidy im-betsaka toy ny teto Antananarivo,… Vita ny fifidianana dia io mampiahiahy ion y fikirakirana ny vokatra, hany ka na ny vokatra navoakan’ireo rantsa-mangaika mpanisa vato izay avy amin’ny CENI ihany aza nitsimbadika nentina nampandresena ny kandidam-panjakana. Anisan’io ny etsy Talatan’i Volonondry izay asa hoe : satria ve misy ny tetikasam-panjakana « Autoroute » kanefa tsy olon’ny fitondrana no nosafidian’ny vahoaka dia io atao amboletra io ? Tahaka izany ihany koa ny any Kiangara Anjozorobe. Ny any Mitsinjo Betanimena any Toliara II ihany koa io mangotraka io ka asa na misy ifandraisany amin’ny raharaha fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ka mety hanahirana raha tsy olon’ny fitondrana no apetraka eo ? Ny eto Antananarivo Renivohitra moa io ifandroritana io indrindra taorian’ilay valim-pifidianana nampandresy ny mpanohitra izay nolazaina fa nisy niditra an-tsokosoko tao amin’ny tranonkalan’ny CENI. Dia io miafara amin’ny fisamborana sy fanagadrana io toy ny eto an-dRenivohitra sy ny any Toliara II, raha toa ka mangotrangotraka ihany koa ny any Toamasina. Betsaka ny lonilony ahiana mety hiteraka fipoahana noho ny fahatsapana tsy fahamarinana ara-pifidianana, kanefa toa teren-ko masaka sy hanaovana tian-kano tsy tian-kano. Mihevitra ve ny fitondrana sy ireo mpiray tsikombakomba aminy fa ho vitavita ho azy sy ho voavaha amin’ny basy aman-tafondro hatrany ny zava-misy ? Tena ho voafehy ve raha sanatria tena hiteraka fitroarana sy fipoahana goavana ? Hiteraka fahamarinan-toerana ho an’ny Fitondrana ve ny zava-misy ankehitriny ? Eny fa mipetraka hatramin’ny fanontaniana hoe : hahavita taom-piasana 5 taona ve ny Fitondrana ankehitriny eo anatrehan’ny krizy ara-politika sy ara-toekerana fa indrindra ny ara-tsosialy ankehitriny ? Ho voafehy amin’ny kizarazara sy kitositosika ve ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap