airtel

Politique

20-juin-2024

Fifidianana monisipaly sy kaominaly

Hatao amin’ny novambra, tara herintaona latsaka kely

Sample post image

Efa manomboka fantatra ireo andinindininy sy pitsopitsony mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna,

20-juin-2024

na mbola tsy tena milamina tanteraka aza ny fifidianana depiote, izay miandry ny didy farany avy amin’ny HCC. Raha tsy misy ny fiovana, ny 06 novambra 2024 no hatao ny fifidianana ireo ben’ny tanàna izay tsara ny manamarika, fa efa tapitra tanteraka ny 10 janoary teo ny fe-potoam-piasana, saingy namoaka ny HCC ny 25 janoary taorian’ny fangatahana ny heviny nataon’ny governemanta, fa afaka manohy ny asany ireo olom-boafidy eny amin’ny kaominina mandra-pisian’ny olom-boafidy vaovao. Azo lazaina ho tara herintaona latsaka kely eo izany ny fifidianana ben’ny tanàna. Amin’ny 6 novambra izany vao handeha ny fifidianana any amin’ireo kaominina 1695 eo, ka ny 08 jolay-22 jolay 2024 ny fametrahana ny antontan-taratasy. Ny 10 oktobra hatramin’ny 04 novambra ny fampielezan-kevitra. Araka ny lalàna 2014-020 tamin’ny 20 aogositra 2014, ny kaominina an-drenivohitra dia miisa 9 ny mpanolontsaina monisipaly ho an’ny kaominina manana mponina latsaky ny 5000 ; 11 ho an’ny 5001 hatramin’ny 8000 ; 13 ho an’ny 8001 hatramin’ny 120 000 ; 15 ho an’ny 120 001 hatramin’ny 250 000 ; 19 ho an’ny manana mpanolontsaina mihoatra ny 250 001. Ho an’ny kaominina ambanivohitra kosa, dia 5 ny mpanolontsaina ho an’ny kaominina latsaky ny 10 000 ny mponina, ary 7 raha maherin’io. Miisa 13 eo ireo taratasy mila omanin’ny kandida izay saika mitovitovy amin’ny tamin’ny fifidianana depiote, fa tafiditra ao anatin’ireo takiana ny dika mitovin’ny karatry ny mpifidy na fanamarinana avy amin’ny CENI, fanambarana ara-pahitsiana na ara-pahamendrehana (déclaration de probité),…Tsara ny manamarika, fa efa nankatoavina ihany koa ny lalàna mampitombo ho 5 taona ny fe-potoana iasan’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina, ka hihatra amin’ireo olom-boafidy ho voafidy manaraka eo io mazava ho azy.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

18-avril-2025

MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?

Card image cap
18-avril-2025

Nilatsaka ny sazy ! Voaheloka 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 60 tapitrisa Ariary

Card image cap
18-avril-2025

Misaora an’Andriamanitra isika fa manana harena ahafahana mampandroso ny firenena,

Card image cap
18-avril-2025

Taorian’ny filazana fa tsy ekena ny fanalam-baraka ny Firenena, namafisin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian

Card image cap
17-avril-2025

Misolelaka amin’ny frantsay fotsiny no ataon’ny mpitondra antsika!»

Card image cap
17-avril-2025

Miverina indray ny fanjanahan-tany ?

Card image cap