airtel

Politique

19-mars-2024

Fifidianana ny filoham-pirenen’i Rosia

Nanara-maso ny CENI Madagascar

Sample post image

Nanomboka ny 14 martsa teo ny fihaonambe iraisampirenena nokarakarain’ny

19-mars-2024

vaomiera mpisahana ny raharaham-pifidianana aty amin’ny firenena rosianina, hoy ny solontenan’ny mpanao gazety eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana eto Madagasikara na CENI, Soava Andriamarotafika, nampita vaovao avy any an-toerana omaly. Eto Moscou, renivohitry ny firenena rosianina, hoy izy, no hanatanterahana izany ary hifantoka bebe kokoa amin’ny anjara toeran’ny fifidianana amin’ny maha masi-mandidy azy eo amin’ny tontolon’ny fametrahana ny olona hitantana ny firenena, hatramin’ny filoham-pirenena no midina sy ny ambaratonga isan-tokony sy ny fanarahana ny fenitra iraisampirenena eo amin’izany raharaham-pifidianana izany. Firenena maro no nandray anjara tamin’ny fihaonambe izay naharitra 2 andro. Nanara-maso ny fanantanterahana ny fifidianana izay ho filohan’i Rosia koa, izay nanomboka ny 15, 16, 17 martsa ireo solontena avy amin’ny vaomiera misahana fifidianana isam-pirenena. Isany ny CENI Madagascar. Notanterahana tamina birao fandatsaham-bato maro izany, na teto amin’ny renivohitra teto Moscou na tany ambanivohitra rehetra tany. Hatrany amin’ny 200km miala ny renivohitra. Endrika miisa 2 no entin’ny vahoaka mpifidy aty Rosia manatanteraka fifidianana. Eo ny fifidianana amin’ny alalan’ny bileta tokana asiana marika eo amin’ny sarin’ny olona fidiana. Eo koa ny fifidianana ampitain-davitra amin’ny alalan’ny aterineto. Misy ny fanapiana manokana ireo olona manana fahasembanana sy zokiolona efa mahazoazo taona. Tsy voatery miala amin’ny tokantrano izy ireo fa ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana miaraka amin’ny mpanara-maso no manatona azy ireny any an-tokantranony, araka ny fangatahana mialoha ataon’izy ireny. Mbola amin’ny alalan’ny endrika miisa 2 voalaza teo koa no hanatanterahan’izy ireo ny fifidianana, hoy hatrany i Soava Andriamarotafika.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap