Matthew MILLER, Mpitondra tenin'ny Departemantam-panjakana Amerikana i Etazonia ny faran’ny herinandro teo. Fanambarana ara-diplaomatika ara-bakiteny, ka amin’ny lafiny iray dia naneho i Etazonia, fa mankasitraka ny vahoaka Malagasy nampiasa ny zo maha-olom-pirenena azy sy zony ara-politika nandritra ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 16 novambra lasa teo. Voarainay ny fanambarana amin'ny fomba ofisialy ny vokam-pifidianana nataon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana HCC, manamafy ny fahalanian’ny Filoha Andry Rajoelina indray, hoy ny Amerikanina. Manamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny Filoha voafidy Andry Rajoelina, ny governemanta, ary ny vahoaka Malagasy ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampanajana ny zo fototra ho an'ny tsirairay, ary mankasitraka ihany koa ny governemanta sy ny vahoaka Malagasy niantoka androm-pifidianana nilamina sy tony tamina faritra maro, hoy io Fanambarana io. Amin’ny lafiny iray anefa, nilaza ihany ko i Etazonia, fa niteraka ahiahy izay tokony harenina ny zotram-pifidianana ho fiantohana ny filaminana sy ny ho avin'ny firenena. Maro ireo mpiantsehatra, na olom-pirenena na mpanara-maso ny fifidianana avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena, izay nahatsikaritra tsy fahatomombanana samihafa nandritra ny zotram-pifidianana. Ankoatr'izay, maro amin'ireo sosokevitra fanatsarana ny zotram-pifidianana naroso taorian'ireo fifidianana natao ny 2018 sy 2019, no tsy mbola tanteraka, hoy hatrany ny Bekintana. Noho izany, miantso ny CENI izahay hamaha ireo olana ireo, ary miantso ny governemanta Malagasy hanadihady amin’ny antsipiriany ireo tsy fahatomombanana sy ireo voalaza fa hosoka ka hiroso amin'ireo fanavaozan-drafitra samihafa navoitran'ireo mpanaramaso ny fifidianana malagasy sy iraisam-pirenena, ary hijery akaiky ireo filàna sy fanirian'ny olom-pirenena ao Madagasikara, hoy ny fanambarana. Mangataka an’i Madagasikara i Etazonia mba haneho fahavononana hatrany hanaja ny zotra demokratika, ny lalàm-panorenana sy ny tany tan-dalàna. Mendrika sy miandrandra fifidianana malalaka sy madio, tanterahina ao anaty filaminana, ary fanjakana tsara tantana, ny vahoaka Malagasy. Miantso ihany koa ny governemanta Malagasy hampitombo ny fahatokisan'ny vahoaka ireo rafim-panjakana ao aminy sy hiantoka ny fahamarinan'ireo fifidianana ho avy, hoy ny Amerikanina. Manameloka ny herisetra amin’ny endriny rehetra ary miantso ny vahoaka Malagasy hitondra ireo fitarainana mahakasika ny fifidianana manoloana ireo rafim-pitsarana mahefa ao Madagasikara noho izany i Etazonia. Azo lazaina ho safosafo miharo felaka ihany noho izany ny fanambaran’ny Amerikanina, izay tsy nanafina an’ireo lesoka samihafa tamin’iny zotram-pifidianana iny.
Toky R
Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,
Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na