airtel

Politique

24-avril-2025

Fihaonanan-dRajoelina sy Macron

Mitohy ny fitsiriritan’i Lafrantsa ny harena stratejika eto

Sample post image

Namafisina tamin’ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron,

24-avril-2025

izay noraisin’i Andry Rajoelina teny Iavoloha fa manana ny toerany ara-toekarena eto ny Frantsay, ary mbola maniry ny hisitraka bebe kokoa ny sehatra stratejika eto toy ny harena an-kibon’ny tany, mihoatra ny 500 ireo orinasa frantsay miasa eto Madagasikara. Miisa 6 eo ny fifanarahana nifanaovan-tsonia nataon'ny filoha, ka tafiditra amin’izany ny fotodrafitrasa, ny fampiofanana, ny fahasalamana, ny fambolena sy fitaterana, ary ny herinaratra. Tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny fanararaotana maharitra ny harena ankibon’ny tany, indrindra ny « terres rares », sy ny fampivoarana ireo tetikasa ara-toekarena eto amin’ny Nosy. Notsindrian’i Macron manokana ny fangatahana ny mba handraisana an’i Lafrantsa ho mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikara amin'io resaka harena an-kibon’ny tany na "terres rares" sy ireo "minerais stratégique" io. Isan’ny ananan’i Madagasikara betsaka ny harena an-kibon’ny tany, ary Lafrantsa no manana ny « cartographie » izay nisy fotoana nanomezana ny ampahan’izany ho antsika. Ankoatra ny Iles Eparses izay efa toerana sy harena stratejika giazan’i Lafrantsa, mbola maniry ny hiditra lalina amin’ny fifanarahana mikasika ireo harena stratejika hafa izany ity Firenen-dehibe ity. Isan’ny nanaovana fifanaraham-piaraha-miasa ny sehatra angovo, izay nisongadina tamin’ny fidiran’ny EDF ao anatin’ny tetikasa Volobe sy ny fanohanana ataon’ny Frantsa amin’ny tetikasa famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny rano ao Antentezambato, ny famolavolana sy fandrindrana indray ny trosan’i Madagasikara. Eo amin’ny sehatry ny fitaterana, nampanantena fa hapetraka ho laharam-pahamehana ny fanavaozana ny tamba-jotra amin’ny lamasinina, indrindra fa ny fanarenana ny lalam-pitaterana Antananarivo-Toamasina sy ny fampandrosoana ny zotra Fianarantsoa-Manakara, miaraka amin’ny fanohanana ara-teknika sy fitaovana avy amin’ny Frantsa. Noresahana ny fampandrosoana ny fambolena no andry lehibe iray hafa, ahitana ny fizarana masomboly (vary, katsaka, varimbazaha), fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny famokarana vary, ary fananganana orinasa famokarana zezika eto an-toerana.
HAMAFISINA NY FIANKINAN-DOHA AMIN’I LAFRANTSA ?
Napetraka ho ivon’ny fiaraha-miasa ihany koa ny fanatsarana ny tontolo akademika, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny teny frantsay, fiofanana manokana ho an’ny mpitsabo, ary fiaraha-miasa amin’ireo oniversite ho fananganana ivon-toeram-pampianarana ambony manara-penitra eto Madagasikara. Ara-kolontsaina, noresahana ny resaka famerenana ireo vakoka toy ny famerenana kabeso, vakoka,… Mitohy ny fanohanan’ny Frantsa ireo faritra arovana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara, ary koa ny fiarovana ny Ranomasimbe Indianina, hoy ny Frantsay izay milaza fa manana tetikasa mitentina 600 tapitrisa euro amin’izao fotoana izao ny AFD eto Madagasikara, raha mitohy kosa ny asa ataon’ireo fikambanana frantsay tahaka ny CIRAD, IRD ary ny Institut Pasteur hanohanana ny fampandrosoana eto amin’ny Nosy. Nilaza ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina fa nahomby ireo fifanakalozan-kevitra, ka nanome andraikitra ny ekipam-panjakana hanomana ny drafitra mazava sy azo tanterahina. Tanjon’ny fiaraha-miasa vaovao ny hahazoan’ny vahoaka malagasy vokatra maharitra sy azo tsapain-tanana, hoy i Andry Rajoelina. Tena zava-dehibe ve sa tapi-maso no betsaka ? Mifehy ny sehatra ara-toekerana maro ny Frantsay, mifehy ny resaka angovo satria miankina aminy izany ireo tetikasa lehibe ankoatra ireo efa azy mifehy izany eto, ny resaka solika, ny fandraharahana ara-toekarena samihafa, lalam-be migodana,… Mbola azo lazaina ho manana fahaleovantena ve isika ?

Toky R
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap