zava-doza momba ny fitsimbadihan’ny vokatra. Midina an-dalambe ny vahoaka satria mahafantatra tsara ny zava-nisy marina tao amin’ny kaominina misy azy. Tsy any amin’ny kipitsopitsony sy ny mety ho voambolana ampiasain’ny fitsarana no olany fa ilay safidiny nozimbazimbaina mihitsy. Amin’ny fomba ahoana koa moa no hanekena izany hoe foanana manontolo ny vato azona kandida iray, dia ny laharana fahatelo tamin’ilay vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI no lasa laharana voalohany ka hoe voafidy ben’ny tanàna ? Mba mitombina ve izany resaka izany ?
NAHAZO NY ANJARANY AVY
Fa moa ve rehefa avy nozaraina vary , menaka, siramamy, sardine, narahana vola kely ireo malagasy sahirana dia araraotina hatramin’ny farany ka tsy ivakiana loha intsony izay safidiny ? Misy antony matoa mihetsika ireny mponina any amina kaominina ambany vohitra ireny, tsy resaka hoe hanongam-panjakana fa tena fitakiana ny marina ny azy ireo. Ny manahirana dia sokajiana indray ve fa mpanakorontana ny vahoaka mitaky ny marina ? Heverina ve fa madinika ireny ka avela himenomenona eo fotsiny dia mangiana ihany ny farany rehefa reraka ? Dia efa tahaka izany foana anefa ny fahadisoan-kevitry ny mpitondra, manamaivana ny fitakiana, tsy te hahalala ny fanehoan-kevitry ny hafa, tsy mivaky loha amin’ny fanehoana tsy fahafaliana ataon’ny olona. Ny taona 1971 sy 1972 efa fantatra tsara ny nanjo ny mpitondra tamin’ny repoblika voalohany, ny taona 1991 nahazo ny anjarany ihany koa ny mpitondran’ny repoblika fahatelo ; mbola velon’aina any ny filoha anisan’ny nitantana ny repoblika fahatelo, naongana ny taona 2009. Nanao be vava ihany koa teto ny mangamanga, dia niongotra tsy lera.
MISY FETRANY IO
Ankehitriny manombola mipoitra ireo fahasosorana, asa raha mbola ho vitan’ny fitsaboana sy ny fifampiresahana ihany, na atao ahoana. Fa raha ny toetra amam-pihetsik’ireo manampahefana ankehitriny aloha dia miavona sy tsy manaiky ahitsy. Mbola mirehareha sy manao famaly boraingina ihany koa. Marina fa mety hoe mbola somary matory ny ankamaroan’ny malagasy, reraka sy variana amin’ny fitadiavana fa raha mifoha eo ireo, dia asa. Tsy misy renoky ny torimaso mandrakizay izany ary misy fetrany ihany io fandraikirekena io.
RTT
Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra
Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana
Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina
Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia