airtel

Politique

14-janv-2026

Fikaonandoha teny Ankorondrano

Hosoniavina ny zoma

Sample post image

izao ny fehinkevitra

14-janv-2026

Taorian’ny fikaonandoha teny Ankorondrano nandritry ny 3 andro nanomboka ny 12 hatramin’ny 15 desambra lasa teo, izay isan’ny nikarakara izany ny KFIM na Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara, dia mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe aiza ho aiza ny vokatr’izany, hoy ny KFIM omaly. Nampahafantatra ity komity ity, noho izany, fa hanao sonia ny fehinkevitra tapaka tamin’iny fikaonandoha iny ny zoma 16 janoary izao manomboka amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Antsoina, noho izany, hoy izy ireo, ireo antoko politika rehetra nandray anjara tamin’iny hoavy maro hanatanteraka izany fanaovan-tsonia ny fehinkevitra niarahana izany. Manomboka mikarakara ny fikaonandoham-pirenena manerana ny faritra io ny fitondràna ka ny KFIM dia mametraka tanjona mba ho azo atolotra anatin’izany ilay fehinkevitra teny Akorondrano. Asaina daholo na ny nanatrika na tsy nanatrika ka resy lahatra hoe misy hevitra tokony hiraisantsika miaraka any amin’ilay fikaonandoham-pirenena ivoahan’ny firenena amin’ny krizy ankehitriny. Ny fitovian-kevitra 100% sarotra ary niaraha-nahita fa samy nanatrika ilay fikaonandoha avokoa na ny mpanongana na ny nahongana teo amin’ny fitondràna teo aloha. Antoko politika manodidina ny 180 no tonga tao. Ireo rehetra ireo izany no antsoina ary mihoatra aza, hoy hatrany ny KFIM.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap