airtel

Politique

29-juil-2026

FIKAONANDOHAM-PIRENENA

HO VITA SA TSIA ?

Sample post image

Ilay fiainam-bahoaka mandeha

29-juil-2026

no tena maika hoy Pastera Heritiana
Mbola baraingo hatreto ny fotoana hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena hanangonana ireo karazan-kevitra avy any amin'ny hery velona sy ny mpanao politika entina hampandrosoana ny Firenena. Mety amin'ny volana Aogositra any ho any no hanatontosana azy io eto amintsika raha hanomboka anio Alarobia 29 Jolay eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriambe eny Ivato kosa ny an'ny tanora. Naneho hevitra mikasika izany Pastera Heritiana Randriarimalala omaly. Ho azy manokana mantsy dia tsy ilay fotoana mety hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena na tsia no tena zava-dehibe fa ny fampandehanana ny fiainam-bahoaka. Mandeha tsara ve ny fiainam-bahoaka ? io no fanontaniana tokony hapetraky ny mpikarakara sy ny Fitondram-panjakana hoy izy mba hisian'ny filaminana sy ny fitoniana. Ny fikaonandoham-pirenena mantsy hoy hatrany izy dia tsy maintsy ho vita foana na ho ela na ho haingana. Mila fanomanana mafonja ihany koa hoy izy fa tsy tokony hikoropahana satria hiankinan'ny ho avin'ny Firenena manontolo sy ny vahoaka Malagasy.
Pati
Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap