Ny vehivavy no mahafirenena ny Firenena iray. Anisan'ny andry sy fototra hiankinan'ny fampandrosoana izy ireny ka tsy tokony hatao ambanin-javatra.Izany indrindra no nanosika ny filan-kevitra nasionalin'ny vehivavy na ny CNFM hanatanteraka ilay atrikasa hiarahana amin'ny Fikambanam-behivavy sy ny fiaraha-monina sivily ary ny tanora eny Ambohimangakely nifarana omaly Alarobia 29 Jolay, rehefa naharitra 2 andro. Tanjona ny hahafahan'ireo vehivavy maneho hevitra mikasika izany ho enti-mampandroso ny Firenena. Tafiditra ao anatin''izany ny maharary ny vehivavy eny anivon'ny fiaraha-monina, ny toerana misy azy ireny....Hisy araka izany ny fehin-kevitra hivoaka izay fantatra fa ho entina mandritra ny fotoana hanatontosana ny fikaonandoham-pirenena mba tsy hisy ho very anjara. Tonga nanokatra ny fotoana tamim-pomba ofisialy moa ny Ministra roa tonta nahitana ny Minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana sy ny Ministry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Nanohana ara-pitaovana sy ara-teknika kosa ny OIF na ny Organisation Internationale de la Francophonie.
Pati
Légende : Rtoa Andriamasy Estelle, Filohan'ny CNFM hotronin'ireo Ministra roavavy !