airtel

Politique

30-juin-2025

Fikasana fiaraha-mitantana ireo Nosintsika

Famadihan-tanindrazana, hoy ny SECES Tana

Sample post image

Eo anatrehan'ny kihon-dàlana lalovan'ny firenena ka hanatanterahana ny

30-juin-2025

dingana ho fitakiana ara-drariny ny famerenan'ny Fitondrana frantsay amin'ny tompony, dia ny vahoaka Malagasy, ireo nosy Malagasy manodidina an'i Madagasikara, "Iles éparses" dia mivantana sady mahitsy ny tenin'ny SECES Sampana ANTANANARIVO fa: "Famerenana manontolo amin'i Madagasikara" an'ireo nosy ireo no votoatin-dresaka tokony hatao. Ankoatr'izany ihany koa dia hamafisina etoana hoy izy ireo, fa tokony handoa onitra amin'ny Malagasy ho tambin'ny fibodoany an'ireo nosy manodidina ireo nandritra ny 130 taona mahery i La Frantsa. Adikan'ny SECES Sampana ANTANANARIVO ho famadihana ny tanindrazana iombonana raha toa ka mbola misora-tena ho tompon- tanindrazana ihany ny mbola fivoizana ny teny hoe "fiaraha-mitantana", na avy amin'iza izany, na inona na inona koa antony. Aoka ny vahoaka Malagasy mba hiray hina, ary hitandro toy ny anakandriamaso ny fiandrianam-pirenena Malagasy mba tsy ho maty momoka ny tolona nataon'ireo Raiamandreny izay niady ho an'ny fahafahana sy ny "fahaleovatenam-pirenena marina, hoy hatrany izy ireo. Ampahatsiahivina, hoy hatrany io rantsan'ny SECES io fa efa nanambara ny heviny momba ny maha nosy malagasy ireo nosy ireo ny FIRENENA MIKAMBANA ("résolution 34/91 de l'AGNU du 12 décembre 1979 dans laquelle elle rappelle sa résolution 1514 (XV), résolution 35/123 du 11 décembre 1980") , koa manaitra ireo sampan-draharaha voakasik'izany amin'ny fampanajana ny hasin'ny rafitra misy azy; hoy ny SECES Sampana Antananarivo.
Toky R

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap