sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta hijery akaiky ireo asa sy ireo fandrosoana ilaina ao Nosy Be sy ny faritra Diana ary ny faritanin’ Antsiranana. Tsy misy distrika ho adino intsony amin’ny fampandrosoana », hoy ny seraseran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly, nanamafy fa hatao any Nosy Be Helle Ville ny filankevitry ny Minisitra anio alakamisy 22 mey 2025, hitohy amina fitsidihana hatramin’ny 24 mey. Tena hiasa sa mamono afo toy ny natao tany Toliara noho ny raharaha Base Toliara? I Nosy Be izay misy ahiahy sy lonilony noho ny resaka tany, tahaka ny Nosy Sakatia. Ny Nosy Mitsio izay hatry ny ela no nampanahy ny mponina ny hoe : mety hanomezana ny 2000Ha amin’ny 3400Ha hampiasain’ny Arabo dia ilay mpanefoefo Mohamed Allabar ? Asa ho an’ny vahoaka sa misy ambadika sy bizina ? Tazana amin’ny sary fa miaraka amin’ny Filoha mivady ny zanany izay toa maneho fa sady mitangatsangana sy manao fiainana soa aman-tsara ny mpitondra mianakavy, fa ny vahoaka mifafa ny kihony mitady izay harapaka. Henjana ny fandaniana sy fandaminana na ara-bola na ara-pitaovana ny amin’izany, izay mety hahafahana manao sy manatanteraka tetikasa hafa, saingy mila mihetsiketsika mba hanarontsaronana ny olana sy krizy miha mafana ankehitriny. Tsy atokisana sy tsy mahavita azy ve ireo tompon’andraikitra samihafa isan’ambaratongany any amin’ny Faritra na ny voatendry na ny nofidiam-bahoaka ka tsy maintsy ny Filoham-pirenena sy ny governemanta no miditra an-tsehatra? Zava-dehibe ny fanatonana vahoaka, saingy raha hatao kilalao politika sy sehoseho ivelany fotsiny ihany dia vao mainka famitahana ankitsirano. Zary lasa hitezana ny olom-pirenena fa ilay Filoha no mesia mpamaha olana, ka na paopin-drano tsy mandeha, làlana simba hatrany amin’ny fokontany, olan’ny mpivarotra amoron-dalana,… aza hanaovana antso amin’i Andry Rajoelina. Raha tena mijery vahoaka sy hampandroso hatrany ifotony tokoa dia omena vola sy fahefana ny rafitra sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana fa tsy hoe : ny vola haompana ho amin’ny fanohanana ny kaominina 1695 manerana ny Nosy izay 30 tapitrisa Ar isaky ny kaominina manome 80 miliara Ar mahery kely mety ampahafolon’ny tetibolan’ny Minisitera sasany. Ny mba hany fampidiram-bola iainkinan’ny ain-dehiben’ireo kaominina manerana ny Nosy dia ny hetran-trano sy hetran-tany tangirihan’ny Fanjakana foibe. Ny fampiasam-bolan’ny CIAD (Crédit d'investissement destiné à l'appui au développement) 250 tapitrisa Ar isaky ny distrika dia ny fahefana mpanao lalàna amin’ny alalan’ny depiote no mitantana azy, ary tsy hita izay tena mivaingana rehefa tsinjaraina isaky ny kaominina, ary mety voadingana aza ireo kaominina tsy mitovy firehan-kevitra politika amin’ny depiote ny ben’ny tanàna,…
Toky R
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,