airtel

Politique

13-mai-2025

Filankevitry ny minisitra mitety faritra

Any Toliara indray taorian’ny PEM SUD poakaty 4 taona lasa!

Sample post image

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

13-mai-2025

ka any Toliara no hanaovana izany. Heverina fa tsy tongatonga ho azy, fa mifandraika amin’ny fampandrian-tany manodidina ny fifanolanana mikasika ny Base Toliara, izay mbola misy tsy fitovian-kevitra amin’ny orinasa sy ny Fanjakana andaniny, ary ny vahoaka ifotony sy ny solombavambahoaka iray ankilany. Voizin’ny Fitondrana Rajoelina moa ny hoe : miezaka manakaiky vahoaka ny governemanta, saingy miharihary hatrany ny seho ivelany, ka ny fitsinjaram-pahefana aza sarintsariny sy vao mainka mihemotra. Sehoseho ivelany sy kajikajy no betsaka ! Efa nanao PEM SUD natao tany Tolagnaro ny Fitondrana Rajoelina tamin'ny 2021 taorian’ny valanaretina coronavirus, fony mbola tao anaty governemanta Atoa Hajo Andrianainarivelo izay minisitry ny fanajariana ny tany tamin’izany. Efa mba nisy tombana ve iny ? 5 taona aty aoriana toa vao maika indray aza mahantra ny Firenena, ary zary lasa toerana iantsoana vonjy hatrany ny tapany atsimon’ny Nosy amin’ny resaka amin’ny resaka tsy fanjarian-tsakafo, fahantrana, fisian’ny olona marefo maro,… Mbola loza mitatao ny fahatapahan’ireo tetikasa ara-tsosialy vatsian’ny vahiny toy ny USAID amin’ny lafiny famatsiana rano, fanohanana ara-tsakafo, fahasalamana… Tetikasa hatrany amin’ny 111 no voakasika ary ny faritra atsimon’ny Nosy no tena lasibatra, saingy tsy misy vahaolana mahomby sy maharitra manoloana an’izany ny Fanjakana Rajoelina. Ny resaka Pipeline na fitarihan-drano makany Atsimo zary propagandy mandritra ny taom-piasana roa fa tsy hita izay vokany, fa ny serasera hatrany no tena nipoapoaka tao anatin’ny 7 taona angamba izay. Ny nataon’ny Fanjakana Rajaonarimampianina nakany Tsihombe izay izao fitondrana izao no nirehareha nitokana azy ny jona 2019 aloha no niangana, fa izay an’ny volomboasary tsy hita izay vokany.
FIRENENA AMBONY AMBANY
Tsy vao sambany no nanao filankevitry ny minisitra mitety faritra, ary efa fanindroany izao ny ao Toliara, efa nisy tany Toamasina, tany Mahajanga vao ny volana martsa teo,… saingy fombafomba ihany, fa ny fiainam-pirenena miha mitotongana ambony ambany. Isan’ny miharihary ny politikam-pihatsaram-belatsihy miresaka fitsinjaram-pahefana kanefa ny hetran-trano sy hetran-tanin’ny kaominina atao rapa-dango, tsy manana antoka ny hiverenan’izany araka ny tokony ho izy ny kaominina 1695 manerana ny Nosy. Ny Fampandrosoana Maha-olona (IDH), zara raha nahazo isa 0,487 tamin’ny taona 2023. Firenena faha-183 amin’ny 193 mitotongana indrindra amin’ny lafiny maha olona i Madagasikara. Ny vidim-piainana ho an’ny volana martsa 2025 niakatra 8,4%, hoy ny Banky Foibe. Ny fanondranana entana makany ivelany nitotongana 11,9% ho an’ny telo volana voalohan’ny 2025. Ny fampiasam-bola vahiny mivantana na IDE mbola ampahatelon’ny talohan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 izay manodidina ny 1,2 miliara dolara satria eo amin’ny 400-500 tapitrisa dolara ankehitriny satria tsy atokisan’ny olona, tsy marin-toerana, be kolikoly,… Izany ve ilay fampandrosoana sy fandrosoana ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

taorian’ny fahitana ny zanaky ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ireo

Card image cap
20-juin-2025

Nilaza fa miara-miaina amin’ny vahoaka ny delestazy indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Card image cap
19-juin-2025

Miondrika am-panajàna manoloana ireo nodimandry vokatr’ity resaka fahapoizinana ara-tsakafo

Card image cap