airtel

Politique

20-févr-2026

Filoha Michaël tany Rosia

Nomen'i Poutine haja manokana

Sample post image

Hafa mihitsy raha mitaha

20-févr-2026

amin'ny nandraisana ireo mpitondra firenen-kafa ny fomba nandraisan'ny filoham-pirenena rosianina, Vladimir Poutine, ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika malagasy, ny Kolonely Michaël Randrianirina, raha ny hita an-tsary tamin'ny dian'ity filoham-panjakana ity any an-toerana omaly. Tsy nasiana elanelana be, ara-bakiteny, amin'ny alalan'ny latabatra lavalava mihitsy, toy ny nandraisany ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, fa toy ny mandray firenena tiana hiara-hiasa akaiky rehetra. Teo ny dinika samihafa izay sady niarahan'ny filoha rosianina sy filoha malagasy tamin'ireo tandapa isan-tokony. Teo ihany koa ny fitsidihana ireo toerana manan-tantara samihafa, toy ny renivohitr'i Rosia dia ny ao Moscou izany. Teo ihany koa ny fitsidihana ny mozea ara-tafika ao an-toerana. Raha vakiana amin'ny lafiny endrika na "forme", araka izany, dia te hametraka fiaraha-miasa matotra amin'ny firenena malagasy ny rosianina. Hifono fifanarahana samy mahazo na hoe "win win" ve nefa izany sa mety ho sanatria fandrika handrendrika lalina kokoa ny firenena? Mirary ny fahefana mpanatanteraka, araka izany, ny firenena mba ho mailo tsara manoloana fiaraha-miasa vaovao tiana hirosoana toy izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap