ho amin’ny Fanavaozana na « Conseil présidentiel de la refondation », rafitra vonjimaika tarihin’ny Kolonely Michaël Randrianirina izay notendren’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) hanatanteraka ny andraikitry ny Filoham-pirenena. Miaraka aminy ao anatin’ity rafitra ity ireo kolonely efatra hafa: Kolonely Lucien Rabearimanana, Kolonely Rampanarivo, Kolonely Gervais Andriamiarisoa, ary Médecin Kolonely Marcellin. Tanjona lehibe ny fanavaozana ifotony ny rafitra ara-panjakana, amin’ny alalan’ny fitsapankevi-bahoaka hametrahana lalàmpanorenana vaovao sy fifidianana miandalana hananganana andrim-panjakana vaovao. Dingana hamaliana ny hetahetam-bahoaka amin’ny famerenana ny demokrasia, ny fitokisana amin’ny andrim-panjakana, ary ny fananganana fitondrana miorina amin’ny mangarahara, fitantanana tsara, sy tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka. Nambaran’ny Kolonely Michaël Randrianirina fa mitohy ny fifampidinihana amin’ny fanendrena ny Praiminisitra sy ny fananganana ny governemanta vaovao. Nohamafisiny fa olom-pirenena sivily no ho betsaka amin’ireo minisitra, na mety hisy aza ny miaramila vitsivitsy. Tsy mbola nisy daty ofisialy navoaka, saingy antenaina ho haingana ny fanambarana. Manoloana ny fanambarana nataon’ny Fiadidian’ny Filoha teo aloha izay nanameloka ny fanapahan-kevitry ny HCC ho tsy ara-dalàna, dia nanambara ny Kolonely Randrianirina Michaël fa tsy hifantoka amin’ny adihevitra tsy manan-danja izy, fa kosa amin’ny fandraisana andraikitra sy famahana ny olana sosialy. « Iny no didy navoakan’ny HCC, tsy dia nisy fifampiresahana fa iny no navoakan-dry zareo. Izy ireo no nandray fanapahan-kevitra fa tsy hoe noterenay tamin’ny basy, ary na ny fifampiresahana aza tena tsy mbola tena nisy. Tsy izany no jerenay izao, fa ny firosoana amin’ny asa hamahana ny olan’ny vahoaka Malagasy : jiro sy rano, vidim-piainana,… ka ao anatin’ny volana vitsy dia tokony ho hita taratra ny fiovana », hoy izy. Nohamafisin’ny Kolonely Randrianirina Michael noho izany fa manaraka ny lalàna sy ny didy navoakan’ny HCC ny Fanjakana vaovao, na dia mety tsy mahafa-po ny rehetra aza. Notsiahiviny fa ny fanambarana natao teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mai dia endrika fandraisana andraikitra amin’ny anaran’ny firenena.
MILAMINA NY MPITANDRO FILAMINANA, TSY NISY FANONGANAM-PANJAKANA
Nolaviny tanteraka ny filazana fa voahilika ny Gen Z, satria efa nampidirina amin’ny fifampidinihana izy ireo nanomboka afak’omaly sy omaly. Nambaran’ny Kolonely Randrianirina fa tsy misy fifandirana eo amin’ny tafika sy ny zandary, satria efa nisy ny fanelanelanana sy ny fifampiresahana. Andaniny, nandà tanteraka ny filazana fa fanonganam-panjakana no mitranga ny Gen Z Madagascar, ary nilaza fa fihetsiketseham-bahoaka avy amin’ny fitiavan-tanindrazana no nitranga. Nambaran’ny Gen Z fa tsy nisy fahefana noraisina an-keriny, fa fientanana avy amin’ny olom-pirenena, fikambanana, mpianatra, sendikà ary miaramila.
Toky R