airtel

Politique

10-déc-2025

Filohan’ny CENI,

nitsimbadika ho Rakotonarivo T.

Sample post image

Vonona hametra-pialana indray aho raha toa ka… ! »

10-déc-2025

Nitsimbadika ny rasa ! Niala tamin’ny toerany tsy ho Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana Atoa Andrianarisedo Dama Arsène, ary niakatra ho eo amin’izany toerana izany Atoa Rakotonarivo Thierry, izay tafaverina indray ao amin’ity vaomiera ity 5 taona aty aoriana. Ao anatin’ny fanavaozana sy rivo-baovao isika, ka mahatsapa fa tokony hisy rivo-baovao hoentina eo amin’ny CENI, ka niala an-tsitrapo, tsy nisy teritery, tsy nisy tsindry noho ny antony telo : fitakiana nataon’ny vahoaka ka anisany ny fanamboarana ny CENI sy ny rafitra hafa, ainga vao sy rivo-baovao ho an’ny CENI hisian’ny fifidianana eken’ny rehetra sy mangaraha, fahatokisana sy fahafantarana ny traikefan’ny Filoha vaovao. Tsy resaka hoe mety na tsy mety ny asa natao, fa valiny amin’io filàna fanovana io, hoy izy nanazava. « Fanavaozana no ilaina ary nanapa-kevitra izahay fa olona vaovao no tokony hitantana ny Ceni », hoy hatrany Atoa Andrianarisedo Dama Arsène. Ny CENI amin’izao ve no hikarakara ny fifidianana ho avy ? Ny taona 2027 no ho tapitra ny taom-piasana 6 taona, efa iarahana mahalala fa hanomboka ny fikaonandoham-pirenena, ka io no mamaritra ny dingana rehetra hizoran’ny Firenena ka arakaraka ny tapaky ny vahoaka Malagasy no hamaritana hoe : rahoviana ny fifidianana ? Inona ny fifidianana hatao ? Iza ny rafitra hikarakara izany ? Sarotra ny mbola hilaza hoe : ny CENI amin’izao ve no hikarakara fifidianana na fitsapankevi-bahoaka fa raha tafiditra ao anatin’ny taom-piasana dia mazava ho azy fa ny CENI satria izay no voalazan’ny lalàmpanorenana, hoy Atoa Rakotonarivo Thierry. Notsindriany kosa fa lohahevitra lehibe indrindra hodihinihina sy hotapahana ao anatin’ny Fikaonandoham-pirenena ny fanovana sy fanatsarana ny didy aman-dalàna mikasika ny fifidianana ankoatra ny lalàmpanorenana. Nanamafy ny tenany fa tsy feno ny lalàna matoa misy olom-panjakana na mpitondra Fanjakana manao propagady mitanila manohana kandida, mbola misy ny tsy fitoviana eo amin'ny samy kandida ka misy ny mampiasa 300 lavitrisa ary misy 100 tapitrisa Ar, mbola misy ny « doublons »... Nambarany fa tsy maintsy havaozina ny lisi-pifidianana, hampanao "audit" mahaleotena ny CENI ary havoaka ampahibemaso ho fanta-bahoaka. Notsipihiny fa mila hirosoana ny fanadiovana ny lisi-pifidianana, izay mila atomboka izao raha tiana ho tratra anatin’ny 24 volana. Rivotra politika no nahatafaverina azy teo amin’ny toerana ka azo antoka fa tsy hitanila ve ? « Niala teo 5 na 6 taona lasa, mbola vonona hametra-pialana raha tsy mifanaraka amin’ny tena voalazan’ny lalàna sy ny etika mifehy ny fifidianana ny zavatra hitranga eto amin’ny Firenena », hoy i Thierry Rakotonarivo.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap