airtel

Politique

28-mai-2024

Firaisankina Avaradrano

Mivonona amin’ny andrimasom-pifidianana

Sample post image

Rahampitso Alarobia 29 May no hotanterahina manerana ny Nosy ny fifidianana solombavambahoaka.

28-mai-2024

Efa saika mivonona amin’izany avokoa ny rehetra indrindra fa ireo kandida mpifaninana. Ho an’ny Vovonana Firaisankina Avaradrano dia fantatra fa efa mivonona tanteraka amin’izany izy ireo. Efa tapitra nahazo fiofanana teny anivon’ny CENI na ny voamiera mahaleo tena ho an’ny fifidianana avokoa ireo delege hiasa eny anivon’ny birao fandatsaham-bato rehetra arahin’ireo andrimason’ny fifidianana, raha araka ny fanazavana azo omaly. Hiasa mafy sy hiasa tsara izy ireo noho izany hanara-maso ny fizotry ny fifidianana sy ny fandatsaham-bato rahampitso Alarobia ka ny tanjona dia mba ho lalao madio tokoa no hisy hahazoana izay vokatra tena avy amin’ny vahoaka. Ho azy ireo manokana moa dia azo lazaina ho nizotra tamim- pilaminana ny fampielezan-kevitra tao anatin’izay 20 andro izay. Tsy nisy ny fizaran-javatra fa ny hevitra no naely. Tsy nisy ihany koa ny fiantsiana fa ny fihainoana ny hetahetam-bahoaka sy ny fifampitakosenana teo amin’ny roa tonta no tena nibahan-toerana.
Pati
Legende : Ho hentitra ny fanaraha-maso hataon’ny Vovonana Firaisankina ao Avaradrano !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny

Card image cap
22-mai-2026

Tena ny fanasaziana ny mpitsabo ao

Card image cap
21-mai-2026

fikaonandoha fa tsy hoe olona avy any an-dapa»

Card image cap