Efa saika mivonona amin’izany avokoa ny rehetra indrindra fa ireo kandida mpifaninana. Ho an’ny Vovonana Firaisankina Avaradrano dia fantatra fa efa mivonona tanteraka amin’izany izy ireo. Efa tapitra nahazo fiofanana teny anivon’ny CENI na ny voamiera mahaleo tena ho an’ny fifidianana avokoa ireo delege hiasa eny anivon’ny birao fandatsaham-bato rehetra arahin’ireo andrimason’ny fifidianana, raha araka ny fanazavana azo omaly. Hiasa mafy sy hiasa tsara izy ireo noho izany hanara-maso ny fizotry ny fifidianana sy ny fandatsaham-bato rahampitso Alarobia ka ny tanjona dia mba ho lalao madio tokoa no hisy hahazoana izay vokatra tena avy amin’ny vahoaka. Ho azy ireo manokana moa dia azo lazaina ho nizotra tamim- pilaminana ny fampielezan-kevitra tao anatin’izay 20 andro izay. Tsy nisy ny fizaran-javatra fa ny hevitra no naely. Tsy nisy ihany koa ny fiantsiana fa ny fihainoana ny hetahetam-bahoaka sy ny fifampitakosenana teo amin’ny roa tonta no tena nibahan-toerana.
Pati
Legende : Ho hentitra ny fanaraha-maso hataon’ny Vovonana Firaisankina ao Avaradrano !
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby