airtel

Politique

08-juil-2025

Firobarobana eo ambony fahoriam-bahoaka

Hirohotra any Sainte Marie indray ny Mpitondra

Sample post image

Lasa lamaodin’ny Fitondrana Rajoelina ny manao filankevitry ny Minisitra mitety faritra,

08-juil-2025

ka taorian’ny tao Toamasina, Mahajanga, Toliara, Nosy, ary Fianarantsoa, dia hisidina any Fianarantsoa indray ny mpitondra tarihin’ingahy Andry Rajoelina ho an’ny rahampitso alarobia 10 jolay 205, araka ny seraseram-panjakana. Hisy fitokanan-javatra toy ny làlana sy Parc solaire amin’ny zoma, ka dia hararaotina, tsy hitsitsiana volam-bahoaka. Mandritra ny 3 andro toy ny natao Fianarantsoa izany ny dian’ny mpitondra any an-toerana, izay mandeha ihany koa ny serasera fa hisy ny asa sosialy ho an’ireo tokantrano marefo, ny fihaonam-be amin’ny mponin'i Sainte Marie sy fampisehoana ahitàna mpanakanto samihafa, ary ny fanokafana ny Festival des Baleines. Mazava ho azy, fa hisongadina ao anatin’ny dian’ny mpitondra ny fitsangatsanganana, kifetifety, kizarazara,… hanjonoana vahoaka, saingy maneso ny Malagasy tsy vaky volo eo anatrehan’ny fahantrana mandifotr’olona mianjady amin’ny isam-baravarana, fa ny mpitondra tsy mitsahatry ny manao fiainana, manao fandanindaniam-poana,… Na dia milaza aza ny fitondrana fa natao "hihainoana ny mponina sy hanatonana azy akaiky" ireo filankevitra mitety faritra ireo, tsy mbola nisy tatitra mazava momba ny fivoarana na fanapahan-kevitra hentitra nivoaka avy amin’izy ireny izay tena nanova ny fiainan’ny olona. Mifanohitra amin’izany aza, ireo toerana notsidihana dia mbola mitaraina amin’ny fahasimbana ny fotodrafitrasa, ny fidangan’ny vidim-piainana, delestazy, tsy fisian-drano,... Ao anatin’ny vanim-potoana isehoan’ny fitotonganan’ny sandan’ny vola ariary, fitotonganan’ny harin-karena, sy fiharian-karena miankina amin’ny trosa, dia manetsika adihevitra ara-politika ny hoe: ilaina ve ny mitety faritra ilazana fa manakaiky vahoaka kanefa ilay Malagasy miha fadiranovana ? Tena misy fampandrosoana mipaka any amin’ilay faritra sa ny sehoseho ivelany no mibahan-toerana ?
TSY MISY POLITIKAM-PITSITSIANA, NY VAHOAKA TRONGISINA ARA-BOLA
Raha atao tombana amin’ny lojikan’ny fandaniana, dia manomboka amin’ny saran-dalana amin’ny fiaramanidina, fandraisana amin’ny hotely, fampitaovana samihafa, sakafo sy fanamiana, ary indrindra ny sehoseho goavana hamoriana vahoaka. Ny saran’ny angidimby na fiaramanidina fotsiny no 10 ka hatramin’ny 30 tapitrisa Ar isan’ora ny sarany, kanefa ny Filoha sy ny Praiminisitra ohatra tsy maintsy misaraka araka ny fenitra. Sa ilay fiaramanidin’ny tafika izay tsy maintsy misy fandaniana ihany koa fa tsy hoe mandeha rano. Ny « indemnité » an’ireo mpikamban’ny governemanta manodidina ny 500 000-1000 000Ar, ny delegasionina samihafa,… Tsy dia misy mangadrahara sy amin’ny antsipiriany ny vola laniana amin’ireo filankevitra mitety faritra ireo, fa raha ny tombatombana dia mety hahatratra 500 tapitrisa Ar hatramin’ny 1,5 miliara Ar. Volam-bahoaka mpandoa hetra na trosa amin’ny anaran’ny Malagasy no ampiasaina, ka manana zo hahafantatra sy hanontany ny vahoaka, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra ara-toekarena. Tsy misy mihitsy ny fanehoana potika ara-pitsitsiana na « politique d’austérité » manoloana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny, ny Fanjakana mitrongy vahoaka, mitrongy ny mpandraharaha hampitomboana ny kitapombolam-panjakana (TVA 20% amin’ny zana-bolan’ny banky, hetran-trano (IFPB), hetran-tany (IFT), IRSA,…) kanefa kifetifety sy kisehoseho ivelany no andaniana volam-bahoaka. Anatin’ny 3 taona, tsy maintsy hahena 280 tapitrisa Ar isan-taona ny fanalefahana na fanafoanana ara-ketra ka ampidirina vola amin’ny Fanjakana ka efa nampiomanan’ny mpitondra fa taorian’ny banky dia mila miomana ny sehatra hafa. Io iaraha-mahita io anefa ny fomba fiasa. Hararaotina ny fahalemen’ny Malagasy…
Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap