airtel

Politique

31-mars-2026

Fitantanana an’Antananarivo

Anio no hanao

Sample post image

famindram-pahefana i Harilala

31-mars-2026

Hotontosaina anio tolakandro ny fifamindram-pahefana eo amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha Rtoa Harilalala Ramanantsoa sy ny ben’ny tanàna lefitra voalohany, izay handimby azy vonjimaika amin’ny fitantanana an’Antananarivo. Rtoa Harilala Ramanantsoa izay tsiahivina fa naongan’ny Filankevi-panjakana tsy ho ben’ny tanàna ny 09 martsa 2026 lasa teo. Omaly no re fa nahazo ny fampahafantarana na « notification » ny tenany, ary hirosoana an’io ny fifamindram-pahefana. Ny mpisolo toerana azy izay efa nisolo tena ny tanànan’Antananarivo nandritra ny lanonana fahatsiarovana ny faha-79 taonan’ny tolom-panafahana tetsy amin’ny tsangambaton’Ambohijatovo, raha toa ka nanatrika toy ny olona nasaina kosa Rtoa Harilala Ramanantsoa. Ity farany izay tsiahivina fa namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST noho ny raharaha findramam-bolan’ny Kaominina tamin’ny CNAPS, izay nambarany fa tsy misy hidirany satria mbola tsy teo amin’ny toerana izy tamin’izany. Andaniny, mbola tsy PDS aloha no mitantana, fa ny lefitry ny ben’ny tanàna no miakatra, ka asa na ho voatazona amin’io na hisy fiovana ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap