mamely fantsy ireo lazainy fa mpanakiana no sady fahavalom-pirenena. Lasa resaka tena maivana be, tahaka ny hoe dia sahy miteny ve ianareo fa tsy nisy nahazo tombotsoa tamin’ilay fanadiovana an’Antananarivo farany teo iny ny havanareo na ny olom-pantatrareo ? Ilay fanadiovana amin’io efa nandalo dia niserana. Narovana fatratra hatramin’ny fandokoana tonelina, ny fanakanana ny olona tsy hifamoivoy ara-dalàna fa hoe mila misosa tsara ny fifamoivoizana rehefa eo ny vahiny. Rehefa nipoitra indray ilay akanjo fotsy niavaka tamin’ny rehetra dia hoe , efa mivoatra izao ny fomba fiakanjo ka aza mifampitsaratsara ; tsy misy tsy mahalala anefa fa akanjo matroka no ifanarahana rehefa fahoriana.Miteny mialoha ny mana-manjo raha hafa noho io no fomba fiakanjo, izay ilay hoe misy thème, fa rehefa tsy niteny na nanome toromarika izy dia efa izay izany ny mahazatra ihany no dress code izany. Dia tsaroana eto tamin’ilay euro sy dolara nidangana be manoloana ny ariary, notsotsorina ny resaka hoe raha tsy izahay aza no teo amin’ny fitondrana mety efa 10 000 ariary io. Farany teo moa dia hoe mahantra ny malagasy fa sambatra, tsy hain’ireo manampahefana angamba ny maha samihafa ny hoe miaina sy mihafy sy ny hoe sambatra sy mionona. Tsy mahagaga ihany izany hoy ny olona satria hita fa tena miaina anaty fahasambarana tokoa ireo manampahefana sy ny fianakaviany ary ireo akamakama manodidina azy ireo.Tena mety ny fiainana ho azy ireo, mandeha ny afera e. Na ireo zanaka lahin’ny filoham-pirenena aza dia efa entiny amina fifampiraharahana iraisam-pirenena, miaraka amin’ireo filoham-pirenena aty amin’ny ranomasimbe indianina niatrika ny fivorian’ny COI farany teo. Tahaka ny hoe mpanolontsaina manokana na mpikambana ao amin’ny governemanta mihitsy. Mivoaka amin’ny sary ofisialy, izany hoe tena aseho fa tsy ankiafinafina intsony ; tahaka ny miteny hoe ireo izahay ireo fa izay teneninareo eo tsy ahoanay akory. Efa fantatry ny rehetra tsara anefa fa mpandraharaha i Andry Rajoelina mialohan’ny nidirany teo amin’ny politika, koa raha sanatria ka efa mandraharaha ihany koa ny zanany, sao lahy ka mahazo tombony mihoatra noho ireo mpandraharaha hafa amina resaka fahazoana mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka ? Raha ny fantatra hatreto aloha dia tsy mbola nisy didim-panjakana manendry ireo zanaky ny filoha lahy miisa roa amina asam-panjakana ambony, sa efa miana-draharaha tsimoramora amin’ny fitantanana raharaham-panjakana izany izy ireo ?
RTT
Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,