airtel

Politique

13-mars-2025

Fitantanana sy fomba fiasa

Sao dia variana loatra amin’ny fivoriana sy atrikasa e ?

Sample post image

Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.

13-mars-2025

Eo ihany koa ny hoe lanonana ofisialy momba ny izao sy ny izao, fametrahana samboady, dia tonga ihnay koa ny hoe filankevitry ny minisitra mitety faritra, tany aloha tany nisy fivorian’ireo governora mitety faritra ihany koa. Tena tia fivoriana ianareo Malagasy hoy ny teratany vahiny iray namita iraka teto Madagasikara avy amina fikambanana iraisam-pirenena iray.
Raha ny fivoriana sy ny atrikasa no mampandroso dia efa ela i Madagaskara no lasa lavitra, saigy tsy izay ilay izy. Any amin’ny fampiharana sy ny fanaraha-maso no tena olana eto. Ny Vina sy Fandaharanasa, boky, tahirin-kevitra,antontan-kevitra dia tena maro be fa ahoana ny tena hampiharana azy ka hisy fiantraikany tsara any amin’ny fiainan’ny isam-pianakaviana sy ny isam-paritra ary amin’ny firenena ? Tena tsy ampy finiavana hanao zavatra tsara sy maharitra isika eto hoy ny mpitantana orinasa iray, tia vao, tia manandrakandrana zavatra, avy eo mora leo dia tsy mitohy intsony ilay tetikasa dia efa mifidra any amina zavatra iray hafa indray. Tena hita be izany amin’ny fitantanana ny firenena, rehefa miova ilay filoha-pirenena dia misolo hatramin’ny mpanadio trano any anaty minisitera. Ny olona tsy teknisiana no omena andraikitra teknika, be loatra ny resaka politika, lasa fomba mahazatra ny mifampidokadoka. Dia io iaraha-mahita io ny vokany, miha mahantra ny vahoaka, miha mahantra ny firenena, sahirana ara-bola ny fitondram-panjakana, miha tsy mahatoky hatrany ny rafitra sy fomba fiasa eto ireo mpara-miombon’antoka avy any ivelany. Ilaina ny fivoriana handaminana sy handrindra ny asa fa any amin’ny fanatanterahana ny asa dia tena mila matotra sy mandeha araka ny tokony ho izy. Tanterahiana fa tsy tenenina fotsiny ilay hoe manarapenitra…rehefa handany vola be hanavaozana kianja dia efa mila azo antoka tsara hoe tena manaraka ny fenitra iraisam-pirenena marina io vita eo fa tsy mbola misy zavatra kitihina indray. Rehefa manamboatra lalana dia mila azo antoka fa maharitra 30, 40, 50 taona io fa tsy hoe amboarina isan-taona satria 10 volana niasana dia lasa feno lavaka.
(Sary fanehoana)
RTT
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap