maha taratra fa miady an-trano sy efa ho rava ny fitondràna ankehitriny nefa ny zava-miseho lany ary mitohy amin’ireo rafitra samihafa dia tena mampiseho fa fitondràna misavoritaka hatrany am-boalohany ny fitondràna amin’izao fotoana izao ary io tsy mety mahatafavoaka baolina io. Nanomboka tamin’ny fanambaràna nataon’ireo depiote maro an’isa ny taona 2018 izay nilaza fa tsy nanaiky ny fanendrena ny praiminisitra ankehitriny, Ntsay Christian, ny maraina izany dia avy nanao fanambaràna nifanohitra tamin’izany indray ny hariva. Taty aoriana moa dia nisy an’ilay fitsipaham-pitokisana an’ity praiminisitra ity hatrany nataon’ireo depiote teny Tsimbazaza, izay efa nahavoahangona ny sonian’ny maro an’isa ihany koa, kanefa dia voalaza indray avy eo fa ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, mihitsy no nisakana ny tsy hanatanterahana izany. Ahoana moa, ao anatin’izany rehetra izany, no tsy hiheverana fa misy likiliky lalina amin’izao fotoana izao eo amin’ireo depiote ireo sy io praiminisitra io? Ahoana no tsy hiheverana fa misy fifamatorana lalina na sanatrian’izany fifampitazonana tsiambaratelo eo amin’ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena ary antony tsy hahasahian’ity farany manala an’io praiminisitra io amin’ny toerany izany tao anatin’izay 7 taona mahery nanendrena azy izay? Mbola niteraka resaka be koa taorian’izay ny tsy fanjatoavan’ny parlemanta ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora sy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ny dinika mikato-trano nifanaovana tamin’ny minisitry ny toekarena sy ny resaka vola sy tombontsoa manokan’ireo depiote moa tsy resahina loatra intsony iny fa farany teo izany, mikasika an’ity fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo mielim-pantrana ity dia tao ny faritra nanao fisaonana, tao ny tsy nanao izany. Ny fitondràna foibe sy ireo mpanao «aleloia» azy moa dia tsy nisy zava-patany afa tsy ny nifety hatrany na dia efa mananika ny 40 isa aza manerana ireo faritra maro no mamoy ny ainy sy tandindonin-doza ny ainy vokatr’izany. Ny governoran’i Boeny nilaza fa tsy tokony ho hanina aloha ilay menaka miteraka resabe. Ny minisitry ny varotra sy fanjifàna avy dia mandiso an-kitsirano mihitsy izany filazàna izany. Efa tena miseho lany ny tsy fifankahazoana kanefa dia misy depiote mpanohana ny fitondràna sy mpitondra sasany ihany sahy milaza fa milamina hatrany ny fandehan’ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao.
J. Mirija