airtel

Politique

17-nov-2023

Fitondrana Rajoelina

Efa naloan'ny vahoakan'Antananarivo tanteraka

Sample post image

Efa lasa marina ny zavatra taloha. Avy mpandraharaha nosokajiana fa namiratra, lany ho ben'ny tanàna (2007),

17-nov-2023

avy eo lasa filohan'ny tetezamita (2009) mialohan'ny naha filoham-pirenena (2018) azy i Andry Rajoelina. Dia tena nahoraka tamin'izany fotoana hoe aleo mba ho entin'ny boaikely, ny baolina.
TAPITRA HATREO NY MAZIA MAZIA
16 taona aty aoriana, mifidy 1 amin'ny 5 no tonga nandrotsa-bato raha atao tsotsotra ny salan'isa ho an'Antananarivo renivohitra sy ireo kaominina manodidina azy, eto anefa no be mponina indrindra, izany hoe be mpifidy indrindra manerana an'i Madagasikara. Naloan'ny vahoakan'Antananarivo i Rajoelina, tapitra hatreo ny mazia mazia sy fanova-maso.Tsy arakarak'ireo ambara fa vahoaka nameno arabe nanao carnaval sy nameno ny Coliseum ireo tonga nifidy omaly. Mazava ho azy fa manana ny mpifidy azy foana izy saingy tena faran'izay latsaka ambany, fa tsy arakarak'ilay fihetsiketsehana sy fanamby natao.Zavatra lojika ihany koa izany ho ana Filoha nitantana ny firenena ary tsy dia nahitana vokatra tsara. Nitombo 2 tapitrisa ireo malagasy mahantra tato anatin'ny 5 taona farany ary ao anatin'ireo firenena 5 mahantra fadiranovana eto ambonin'ny tany i Madagasikara. Efa fambara goavana ho an-dRajoelina iny fahavitsian'ny mpifidy iny, hanery azy haniva famindra sy hanaiky fifampiresahana amin'ny tsy mitovy hevitra aminy, raha tsy hoe efa zavatra hafa mihitsy angamba no tadiaviny.
RTT
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap