airtel

Politique

17-nov-2025

Fitondrana sy fanavazaona ny Firenena

Hatolotra eny amin’ny

Sample post image

antenimiera rahampitso ny PGE

17-nov-2025

Hambaran'ny Praiminisitra ampahibemaso ao amin'ny Lapan'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza rahampitso talata 18 novambra 2025 ny fandaharanasa ankampoben'ny Fitondrana Fanavaozana na "Programme de mise en œuvre de la Politique générale de l'Etat" (PGE). Isan'ny fandaharanasa fanavaozana hentin'ny Fitondrana ao anatin'izany ny : famerenana ny fifampitokisan'ny olom-pirenena sy ny mpitondra fanjakana; ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana sy ny fangaraharana; ny firosoana tanteraka amin’ny ady amin'ny kolikoly sy ny fahalovana. Hovakiana ampahibemaso amin'ny alarobia ny 19 Novambra izao kosa ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana laharana 015/2025 ho an'ny taona 2026, araka ny tetiandrom- pivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimierampirenena. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, no misahana sy miandraikitra izany. Laharam-pahamehana ho an'ny taona 2026 ny tombontsoa fototra miompana amin'ny fampiasam-bola ho fanatsarana ny tolotra amin’ny herinaratra sy ny rano fisotro madio. Mahakasika ny Mpiasam-panjakana kosa, nisy ny fanitsiana sy fanatsarana ny karama, ao anatin'ny paikady ara-bola ny fampihenana ny fandaniana tsy mivantana ary fampiakarana ny fampiasam-bola, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fanjakana hatrany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap