tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny Filohan'ny Repoblika ny Fanavaozana na ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael, ny Praiminisitra, ny Minisitry ny Fanavaozana, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ireo solontenan'ny Firenena Mikambana ny Fehin-kevitra Nasionaly tao anatin’ny Fikaonandohan’ny tanora, izay mirakitra tolo-kevitra mikasika ny: sehatra politika sy fitantanana, sehatra sosialy, sehatra toekarena, sehatra kolontsaina, sehatra tontolo iainana. Nambara fa 700 ireo kaominina nanaovana fakan-kevitra, distrika 120 ao anatin’ny faritra 24, saingy toa mampametra-panontaniana ihany hoe : tena nahasolo tena ny tanora eran’ny Nosy sy ny nitondra ny feon’izy ireo ve ? Navoitra ny antso fandravana ny antenimieramieram-pirenena, fampidirana ny fokontany anatin’ny rafitra intsinjaram-pahefana,… Mitaky fanavaozana ny rafi-pifidianana ka foanana ny CENI, omena andraikitra ny Minisiteran’ny atitany. Ho an’ny lafiny toekarena, mitaky ny hanomezana lanja ny famokarana anatiny. Niantso ny hampiasana ny teny Malagasy ho teny fototra,… Nambara fa naneho ny heviny ankalalahana avokoa ireo solotena manerana ny nosy, ary nilamina ny fanehon-kevitra, ka adihevitra nalaza ny mahakasika ny fametrahana fanjakana tokana (État unitaire) izay ta,ora avy amin’ny faritra 10 no nisafidy azy ary sy ny fanjakana federaly (État fédéral) izay 14 no nisafidy azy. Ny voalohany nambara fa miorina amin’ny Fitsinjaram-pahefana tena izy, manana rafitra parlemantera misy efitra telo. Ny faharoa dia fanjakana federaly, miantoka fizaram-pahefana voalanjalanja eo amin’ny governemanta federaly sy ny faritany mandrafitra azy. Faritana amin’ny alalan’ny adihevitra nasionaly miafara amin’ny fifidianana lalàmpanorenena. Naneho ny PRRM fa misy ny efa ampiharin’ny Fanjakana, fa misy ny tsy maintsy maintsy mandalo fikaonandoham-pirenena toy ny rafitra entina mitantana ny Firenena, izay amin’ny alalan’ny fitsapankevi-bahoaka,… Nanamafy moa ny PRRM fa samy ao anatin'ny sambo iray ny Malagasy rehetra, ary mitovy Vina amin'ny fanovana sy fanarenana an'i Madagasikara.
SAO MBA MISY FAMPIDIRANA POLITIKAN’NY ZARAZARAO HANJAKANA ?
Ekena fa tsy mety ny « centralisme » fa kosa sao lasa mivaona any amin’ny zarazarao hanjakana ? Tena voadinika ara-politika ve ? Tena mahasoa ny firenena ve ny resaka Fanjakana federaly sa sanatria tafiditra amin’ny fivoizana indray ny resa-poko sy fihaviana na fisaraham-bazana? Tena io ve ny vahaolana sa fametrahana ho tena mafy fototra ny fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola mba hipaka any ifotony ? Sao sanatria entina amin’ny hoentina amin’ny hafanam-po na « cause côtière » ve sa tena dinihina amin’ny hoe : inona no mety amin’ny Firenena ? Tena mandeha amin’ny fahintsiana sy hetahetam-pony ve ireo tanora sa misy milalao ara-politika ? Tena voafehy ve ilay lohahevitra sa sanatrian’ny vava tena mbola tafiditry ny tarazon’ny politika nampiasain’ny mpanjanan-tany teto izay mbola hita taratra amin’ny politika sy nolalaovana tamin’izany toy ny tamin’ny krizy 2002, tamin’ny fifidianana nifanandrinan’ireo filoha reo teo aloha faramparany,… Any fikaonandoham-pirenena sy fitsapankevi-bahoaka no tena hamaritra azy !
Toky R