airtel

Politique

15-sept-2026

Fivorian’ny

Antenimieramierampirenena

Sample post image

Hafana ny lalàna momba ny heloka an’habaka…

15-sept-2026

Hiroso amin’ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo ny Antenimierampirenena, izay efa nahazo fankatoavan’ny filankevitry ny minisitra. Efa natsidiky ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny hirosoana amin’io, nandritra ny famaranana ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa ny 4 septambra teo. Navoitra fa maro ireo volavolan-dalàna ilana fandinihana , izay tsy vita tamin’ny fivoriana ara-potoana tamin’ny volana mey hatramin’ny jolay lasa teo ka antony nanatanterahana ireo fivoriana tsy ara-potoana roa teo aloha .Voafaritra fa tsy mihoatra ny 12 andro ny faharetan’ity fivoriana ity ka fantatra mazava ireo volavolan-dalàna dinihana mandritra izany . Isan’ireo mety ho dinihana amin’ity fivoriana manaraka ity ny mikasika ny volavolan-dalàna momba ny ny ady amin'ny heloka an'abaka na "cybercriminalité", izay nangatahan’ny vaomiera teny amin’ny Antenimierampirenena ny hanemorana ny fandaniana izany. Anisan’ny niteraka resabe ny lalàna 042/2026 momba ny heloka an’habaka na cybercriminalité. Ity volavolan-dalàna ity dia natao hiadiana amin’ireo asa ratsy sy mamoafady amin’ny tontolon’ny nomerika sy ny tambajotran-tserasera. Nisongadina tao anatin’izany ny fananganana polisy an’habaka afaka mitsirika amin’ny ora rehetra ny « serveur » an’ireo opérateurs téléphoniques sy fournisseurs d’accès internet. Io fepetra io no niteraka adihevitra mafana, indrindra noho ny mety ho fanohintohinana ny fiainana manokan’ny olom-pirenena. Raha hiverenana, volavolan-dalàna fito no napetraka teo anivon’ny Antenimierampirenena tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo, roa ihany no voatanteraka sy nekena avy hatrany. Ireo dia ny protocole SADC, mikasika ny fanamafisana ny fifanarahana ara-bola sy fampiasam-bola ao anatin’ny SADC, ary ny fanitsiana ny « statut général des militaires ». Ny dimy hafa kosa dia mbola najanona noho ny fahasarotana sy ny lanjany. Araka ny fanazavan’ny Antenimierampirenena, na dia efa nisy aza ny asa nataon’ny vaomiera, mbola ilaina ny fotoana fanampiny hanamafisana ny adihevitra sy hanadihadiana ny fiantraikany ara-tsosialy sy ara-politika. Noho izany, heverina fa mbola hoentina hodinihina indray amin’ity fivoriana tsy ara-potoana ho avy ity ireo volavolan-dalàna sisa, mba hahazoana antoka fa voadinika araka ny tokony ho izy : Lalàna mifehy ny filokana sy ny toeram-pilokana, mikendry ny hanamafy ny fanaraha-maso sy ny fitsipika ; Lalàna momba ny teknolojia nokleary, ho fiantohana ny fampiasana azo antoka sy milamina ; Lalàna momba ny fifandraisana elektronika sy ny fotodrafitrasa nomerika ; Convention de Hanoï, fifanarahana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny heloka bevava anaty aterineto, nosoniavina tany Vietnam ny 25 Oktobra 2025. Ity fanekena ity dia manamafy ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny ady iraisam-pirenena amin’ny loza mitatao ara-nomerika.
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap