fanavaozana tarihin’ny filohan’ny fanavaozana, Kolonely Michael Randrianirina, ny ankamaroantsika, hoy ny mpikambana eo anivon’ny hetsika Fehiloha Mena na Bandeau rouge, Frérot Ralaivahiny na Frérot l’homme noir. Miala amin’ny fomba mahazatra teo aloha, hoy izy, no atao hoe fanovàna. Ny traikefa sy fahaizana, ohatra, no jerena rehefa hanendry mpiasam-panjakàna fa tsy hoe kajikajy politika. Na ny filohan’ny fanavaozana aza tsy manao izany kajikajy politika izany. Ny zavatra ilain’ny firenena no ataony fepetra hanendrena olona. Na iza olona, tekinisianina, efa nandray anjara, nandray andraikitra tamin’ny fitondràna teo aloha, raha ilain’ny firenena izy ary hita fa tsy nanao zavatra mamoafady toy ny fanodinkodinam-bola dia inona moa no maha ratsy izany raha ilain’ny firenena? Tsy ny filohan’ny fanavaozana no mitady ilay olona fa ny firenena satria tekinisianina ilay olona. Mety aminay izany fomba fijery izany fa ho an’ny olona marivo salosina sy tsy mahataka-davitra, zatra ny lalan-dririnina no tsy mety. Ilaina ny fanintsiana anaty fitantanan-draharaha fa raha manana onjampeo kosa ianao ka mihevitra ny tenanao ho anaty fitondràna dia mila mba mijery koa ny zavatra mety ataon’ilay mpitondra. Tsy Zanahary ireo ka hoe tsy ho diso mihitsy. Raha te hisolo ny toeran’ny filoha lefitra faha 7 ao amin’ny antenimieram-pirenena ianao dia mametraha fialàna tsy ho filoha lefitra na VPAN eo anivon’io rafitra io! Sarotiny amin’izao fitondràna izao izahay satria fanavaozana no atao. Vao roa volana io no teo dia efa tsikera mivaivay ary mahintsy eto no miteny hoe ianao andriamatoa Fidèle Razarapiera, ajanony io fitsikeràna be fahatany ataonao io! Sao lahy misy endrika politika hafa tianao lalaovina anatin’ilay fanavaozana? Tsy eken’ny Bandeau rouge hatramin’ny farany izany. Be dia be koa izao no mitsikera an’i Koufali Daya ao anaty tambazotran-tserasera ao. Olona mpiray miombon’antoka anatin’ny fitantanana izao firenena izao io olona tsikeraina io. Isan’ny olona nogadrain’ny fitondràna teo aloha tany Tsiafahy izany tsy ara-drariny izany. Nanao sesitany ny tenany izy nitsaoka ity tanindràzana malalany ity noho ny fanenjehana nisy. Lainga daholo ny serasera tamin’ireny fa izany Koufali Daya izany no nitory voalohany an’i Mamy Ravatomanga. Olona tokony ankasitrahana izany. Ampio ny Kolonely Michael fa kitapom-bola poakaty no niaingany teo! Noraofin-dRajoelina sy ny forongony ny vola tao. 6 volana nefa no omena antsika dia hivaha ny olana, indrindra, io olan’ny Jiro sy rano io. Ireo forongony no misompatra eo ary izahay dia mampirisika hoe gadrao izay mampijaly vahoaka, hoy hatrany ity mpanao politika ity!
J. Mirija
Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena